
Songadim-baovaoSosialy
FITOKONAN’NY MPAMILY FIARA VAVENTY: Hamafisina ny fitsirihana ny mety ho fanararaotana amin’ny vidin’entana
Tsy miandry ela fa amin’ity herinandro ity ihany dia hiparitaka ireo Kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana miaraka amin’ireo Mpanara-maso. Homena Taratasy fanirahana (Ordre de mission) manokana mihitsy izy ireo hijery ny momba ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, menaka, siramamy, savony, lafarinina ary simenitra, hoy ny teo anivon’ny Minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana.
Eo anatrehan’ny fitokonan’ny mpamily fiara vaventy amin’ny lalam-pirenena faharoa sy ho fiatrehana ny maitso ahitra dia manao ny ezaka hitsinjovana ny vahoaka malagasy ny Fanjakana. Hitsirika ireo izay rehetra manao endrika fanararaotana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, hoy ny Sekretera jeneralin’ity minisitera ity, Onjamiandry Rakotondramanana, omaly. Ny kaomiseran’ny Varotra sy ny mpitsirika ny Varotra no hanatanteraka izany fitsirihina izany, raha niompana tamin’ny fampahatsiahivana ny didy aman-dalàna ihany izany tato ho ato. Hanaraka ny torolalana manokana ao anatin’ny fanajana ny etika sy ny fitsipi-pifehezana izy ireo, mandritra izany, araka ny fanazavana. Mbola nampahatsiahivin’ny teo anivon’ny Minisitera fa manana vary nafarana mahatratra 140.000 taonina hiatrehana ny maitso ahitra i Madagasikara amin’izao. Efa miparitaka manerana ny Faritra 23 ireo vary ireo. Miankina amin’ny fivoaran’ny vidin’entana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fivoaran’ny vidin’entana amin’ny ankapobeny , hoy ny talen’ny Varotra anatiny, Andriamarimahefa Andry.
Fandoavana lamandy
Raha ny fanampim-panazavana, anisan’ny antony mahatonga ny fiakaram-bidy ny fepetra noraisin’ny firenena indianina, ho an’ny siramamy manokana. Nahenan’izy ireo ho 10.000.000 taonina ny vokatra amidiny amin’ny firenena hafa, nanomboka ny volana jona 2022. Manomboka feno io fatra noferan’ny indianina io amin’izao. Tsy maharaka ny tolotra intsony, araka izany, ny tinady. Izay no mampiakatra ny vidin’ny siramamy. Na izany aza, tsy hidangana be ny vidiny fa eo ho eo amin’ny 5% ny fiarakana amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ity tale ity. Momba ny vary manokana indray, nihena hatrany amin’ny 3% ny famokarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy fiantraikany amin’ny vidim-bary izany . Mampahatsiahy ny minisitera fa mahavoasazy ny tsy fanajana ny lalàn’ny varotra. Anisan’izany ny fanararaotana mihoa-pampana, ny fanitrihana entana, ny tsy fanomezana sy ny tsy fangatahana faktiora, ary ny tsy fametahana vidin’entana. Sazy azo amin’izany ny fandoavana lamandy ary mety ho tonga hatrany amin’ny fisintonana ny taratasy fahafahana mivarotra, araka ny fanazavana.
Tsara ho fantatra fa miara-miasa amin’ny minisitera ireo mpisehatra ara-toekarena hijerena ireo vahaolana manoloana ny trangan-javatra mampiakatra ny vidin’ny entana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpanafatra entana, ny mpamongady, ny mpaninjara ary ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.



