PolitikaSongadim-baovao

FITONDRAM-PANJAKANA : Miroso amin’ny fanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana

Mason-tsivana hahafahan’ny vahoaka matoky ny mpitondra ny fanajana ny teny sy ny fampanantenana nomena. Ho an’ny Fitondrana Andry Rajoelina manokana, mipetraka izay fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny entina izay satria manao tohy vakana ankehitriny ny fanatanterahana ireo velirano natao tamin’ny vahoaka. Ireo mpanakiana sy minia mikipy ihany no tsy mahatsapa izany, fa manao fanoherana bontolo ary manao izay tsy hisian’ny fampandrosoana marina eto amin’ny Firenena.

Nisy sokajin’olona sasany nieritreritra fa hikatso tanteraka ny raharam-pirenena noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Tsy izany anefa no niseho, vao mainka ny nifanohitra amin’izany aza satria vokatry ny fisian’ny valanaretina no nahafahana nanafaingana ny fampandrosoana ny sehatra hafa, toy ny tontolon’ny fitsaboana ohatra. Ho an’i Madagasikara manokana, betsaka ny asa sy dingana vita, nandritra izay vanim-potoan’ny valanaretina izay, teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Isany lehibe indrindra amin’izany ny nahafahana nanangana ilay toeram-pitiliana LA2M etsy Androhibe. Eo koa ny famelomana indray ny ozinina Pharmalagasy, izay hamokatra fanafody ho an’ny Malagasy, isan’izany ny CVO+ izay hovokarina afaka andro vitsy. Tsy ireo ihany fa betsaka ny asa vita ho an’ny tontolon’ny fahasalamana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitaovana ireo hopitaly rehetra nanerana ny Nosy, ka nahafahana nandray ireo maneho fahasarotana amin’ireo mararin’ny Coronavirus. Ny tsara ho marihana, dia ireny fotodrafitrasa sy fitaovana napetraka nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19 ireny, dia hijanona ho fananan’ny firenena eo foana. Izany hoe, hanohanana ny sehatry ny fitsaboana hatrany. Velirano fahadimin’ny Filoha rahateo ny hoe Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra.

Efa mandeha ny tetikasa fametahana “Puce” amin’ny omby

Ankoatra izay, Fitoniana sy fandriampahalemana. Io no anisany Velirano voalohany nataon’ny Filoha. Nisongadina tao anatin’izany ilay tetikasa fametrahana “Puce électronique” amin’ny omby. Izany no natao, dia mba hanamorana ny fanarahan-dia ireo omby iharan’ny fahaverezana noho ny asan-dahalo, izay mahazo vahana eto amintsika. Betsaka no nandrabiraby tamin’izany fotoana hoe tsy ho vita izany, sarotra ny hahatanterahana izany, sy ny sisa. Raha tsiahivina anefa, ny volana May 2019 no nanokafan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy tany Tsiroanomandidy ny fametahana “puce” tamin’ny omby. Mbola mitohy izany ankehitriny, ary mitohy any amin’ny Faritra Menabe. Eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, izay Velirano faha-13 nataon’ny Filoha, dia tsy takona afenina ireo kianja manarapenitra maro, izay saika ho  isaky ny disitrika manerana ny Nosy, efa napetraka sy mbola andalam-panamboarana ankehitriny. Tsy vitsy amin’izy ireny no efa vita. Misy ireo milaza fa tsy laharam-pahamehana ny fanaovana ireny, kanefa, araka ilay Velirano hoe, Fanatanjahantena hambom-pom-pirenena, dia mifandrimbona amin’ny asa fampandrosoana ny Firenena iray ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanatanjahantena. Hiara-mahita koa ny fanaovana ny Kianja Barea izay havaozina hatao mifanaraka amin’ny kianja lehibe any ivelany ireny, ary afaka handray lalao iraisam-pirenena goavana maro.

Trano fonenana mendrika sy fampiroboroboana ny Kolontsaina

Velirano faha-11, fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny sy ho avy. Tetikasa nifanaraka tamin’io ny fananganana trano be na ilay nantsoina koa hoe “Building”, izay trano fonenana mendrika ho an’ny vahoaka malagasy. Tsy vitsy koa ireo tsy nino mihitsy ny hahatanteraka izany. Kanefa dia hiara-mahita ankehitriny ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ireo tranobe misy rihana efatra miisa 38 etsy Ivato. Tsy hijanona hatreo izany fa hitohy any amin’ireo toerana rehetra efa voafaritra hametrahana izany. Etsy ankilany, tsy nataon’ny Fitondram-panjakana ambanin-javatra koa ny fampiroboroboana ny sehatry Kolontsaina, izay efa fampanantenan’ny Filoha rahateo. Misongadina indrindra amin’izany ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo, izay fanamby lehibe nataon’ny Filoha, no sady hambom-pom-pirenena sy mariky ny fiandrianam-pirenena koa. Eo koa ny fametrahana ireo tetikasa maro mifandraika amin’ny tontolon’ny Kolontsaina maro, manerana ny Nosy. Raha tsy hilaza afatsy ny Vohitry ny Kolontsaina ao Ampefy, ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vakinankaratra sy amin’ny Faritra hafa. Ireny rehetra ireny izay eo ambany fiparihan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Finiavana politika

Ankoatra ireo, dingana goavana nataon’ny Fanjakana mijoro ankehitriny ny fametrahana ireo Governora isaky ny Faritra eto Madagasikara. Tsy fanovana anarana fotsiny no natao, fa fanomezana fahefana bebe kokoa ny any anivon’ny Faritra mihitsy. Efa velirano faha-12 rahateo ny hoe Fizakan-tena sy fanomezana andraikitra ny Faritra. Finiavana politika goavana, noho izany, ny fametrahana ireo Governoram-paritra ireo. Ary mariky ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Eo amin’ny sehatry ny politika hatrany, dingana lehibe vitan’ny Fitondrana ankehitriny koa ny fanapahana ny daty hanatanterahana ny fifidianana Loholon’i Madagasikara, izay hatao ny 11 Desambra izao. Zava-dehibe izany satria tsy fifidianana fe fifidianana fotsiny no hatao fa hisy fiovana ihany koa ny isan’ireo Loholona handrafitra indray ny Lapa maintson’Anosikely, izay efa dingana mankany amin’ny fanantanterahana ny tenin’ny Filoha amin’ny fanafoanana ity andrimpanjakana ity. Farany, mandeha ankehitriny, ny fifampidinihana mahakasika ny fananganana ny Faritra faha-23 eto Madagasikara. Izany izay efa fampanantenana nataon’ny Filoha, tamin’ny vahoakan’i Mananjary, amin’ny fametrahana ny faritra Vatovavy. Fehiny, ireo minia mikipy ihany no tsy mahita ny fahatanterahan’ny Velirano!

Tags
Fermer