PolitikaSongadim-baovao
FITONDRANA RAJOELINA : Tsy misy mahasakana ny asa fampandrosoana ataony
62 taona katroka omaly ny nijoroan’ny Repoblikan’I Madagasikara. Tao Anahidrano, Antsohihy, no nanamarihana izany. Hetsika izay tafiditra koa amin’ny fankalazana ny faha-60 taon’ny fahaleovantena. Maro ny hetsika sy ny asa natao nanamarihana izany, indrindra ny fametrahana fotodrafitrasa tao Sofia. Ireny rehetra ireny dia tafiditra ihany koa amin’ny asa fampandrosoana tiana hapetraka eto amin’ny tany sy ny firenena, izay efa miainga amin’izao fotoana izao, ary tsy misy mahasakana.

Nandray anjara feno tamin’ny fanamarihana ny faha-62 taona nijoroan’ny Repoblikan’I Madagasikara ny Filoha Andry Rajoelina. Tao Anahidrano, toerana nahaterahan’ny Filoha Philibert Tsiranana, sy nilevenany ihany koa, no nanamarihana izany. Isany nanamarika ny Fitondran’ity Filoha teo aloha ity ny fananganana fotodrafitrasa, izay saika efa simba sy rava ny ankamaroan’izy ireny noho ny tsy fisian’ny fikarakaran’ireo mpitondra nifandimby taty aoriana. Vonona hanangana indray anefa ny Filoha Rajoelina, amin’ny alalan’ireo Velirano 13 efa napetrany ho an’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny angovo azo havaozina amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, rivotra sy ny rano. Hampihena ny vola sy ny fandaniana toy ny solika ilaina amin’ny Jirama, ny fametrahana ny toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny angovo azo avaozina. Ho an’Antsohihy manokana, efa miasa ankehitriny ny « centrale hybride photovoltaïque – Thermique », napetraka ao amin’ny Fokontany Bekotrobaka Ambalabe Andrefana Antsohihy. Manana tanjaka 19. 680.000 KwH ity ivontoerana mpamokatra herinaratra azo amin’ny masoandro ity. Omaly no notokanan’ny Filoha ity fotodrafitrasa hamatsy herinaratra ho an’ny tanan’Antsohihy ity. Tetsy ankilany, nentin’ny Filoha nanamarihana ny andron’ny 14 oktobra ny fametrahana ny vato fototra ho fametrahana ny ivontoerana mpamokatra herinaratra : « centrale hybride photovoltaïque – Thermique » ao Anahidrano. “Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny velirano ny fametrahana ny fotodrafitrasa momba ny herinaratra”, hoy ny Filoha. Ho vita mialoha ny farany taona 2020 ny asa fanamboarana izay hanome herinaratra manana tanjaka 200.000kw isan-taona, araka ny fanazavana hatrany.
Nahazo birao vaovao ny Polisim-pirenena

Nandritra ny fandalovan’ny Filoha tao Sofia ihany koa no nitokanany ny Birao vaovaon’ny Talemparitry ny Polisimpirenena amin’ny Faritra Sofia. Tahaka ireo fotodrafitrasa efa napetraka isam-paritra, manarapenitra sy goavana ny Fotodrafitrasa. Efa ela no tsy nisy ny fanomezana Fotodrafitrasa vaovao ho an’ny polisim-pirenena, hoy ny Filoha. Midika ho fanaovana laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia ny fametrahana ny birao vaovao, hoy izy. Polisim-pirenena manakaiky vahoaka no tanjona. Araka izany, nanome baiko ny hanomezana tolotra mendrika ny vahoaka manatona ny polisim-pirenena ny Filoha. Nanamafy ny tokony hanafainganana sy hanatsarana ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena rehefa miditra an-tsehatra manao ny asany ihany koa ny Filoha.
Nozaraina fitaovam-pianarana ireo mpianatra
Nanolotra ny kits scolaires complets ho an’ny sekoly ao amin’ny fari-piadidiam- pampianarana , Zap Anahidrano ihany koa ny Filoha. Manana fitaovana feno sy vaovao ny mpianatra hiatrika ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taompianarana 2020-2021 amin’izao fanomezan’ny Filoha izao. Ahitana tablier, kitapo, cahier, trousse sy gourdes asiana rano noho ny andro mafana ny kits scolaires. Nanolotra Rakibolana hampiasain’ny mpianatra rehetra mifandimby ihany koa ny Filoha.

Fotodrafitrasa maro ho an’I Sofia
Nanatanteraka fihaonana tamin’ny vahoakan’Antsohihy ny Filoha Andry RAJOELINA omaly hariva, ao anatin’ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny nahaterahan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny faha- 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena. Fotoana izay nampanantenainy fotodrafitrasa maro ho an’i Sofia. Isan’izany ny kianja manarapenitra miisa 4 sy hopitaly manarapenitra miisa 3, ny oniversite ao Anivorano izay hitondra ny anaran’ny Philibert Tsiranana, parc solaire hiadiana amin’ny fahatapahan-jiro miverimberina sy matetika, jiro cobra manazava ny tanana. Hisitraka fitaovana feno amin’ny fanamboaran-dalana ny faritra SOFIA raha ny fanambaran’ny Filoha. Efa vita ihany koa amin’izao ny fanaovana « étude de faisabilité approfondie » ireo lalana mampikaikan’ny mponina ao amin’ny faritra SOFIA. Ho jerena amin’izany ny lalana mampifandray Antsohihy- Bealalana sy ny lalana mampitohy Antsohihy – Befandriana Avaratra, hoy ny Filoha. Ho fanohanan’ny Fanjakana ny Kaominina Antsohihy, nanolotra Ambulance vaovao, moto miisa 5, kojakoja ilaina amin’ny jono, camions bennes ihany koa ny Filoha.



