
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FITRANDRAHANA AN-TSOKOSOKO HARENA VOAJANAHARY: Sokatra 868 sy hazo voamboana 341 tra-tehaka tamin’ny faran’ny herinandro
Fahombiazan’ny paikady ampiharina sa ny fitrandrahana an-tsokosoko ireo harena voajanahary mihitsy no efa mahazo vahana? Ireo no fanontaniana apetraky ny maro manoloana ny tranga maromaro niseho tato ho ato. Ankoatra ilay raharaha trafikana sokatra notanterahan’ny Solombavambavoaka sy ireo mpiaradia aminy tamin’ny herinandro lasa teo mantsy dia nahabe resaka ny rehetra ihany koa ny fahatrarana teratany tanzanianina iray saika hanondrana an-tsokosoko sokatra radiata miisa 800, tao Mahajanga tamin’ny takarivan’ny zoma lasa teo. Fantatra fa fitorohana avy amina olona tsara sitrapo no nahazoana ny vokatra. Notanana atao fanadihadiana io teratany tanzanianina io ary hatolotra ny fitsarana aorian’izay. Hitory ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ary hitaky ny fampiharana ny sazy henjana indrindra, hoy ny fampahafantaran’izy ireo. Hohamafisina ihany koa ny fanadihadiana hahafahana mandrava ny tambazotra ao ambadik’ity raharaha ity. Mampihatra hatrany ny « tolérance zéro » MEDD amin’ireo izay tratra manao fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Ankilany, ny MEDDD sy ny mpitandro ny filaminana dia manamafy hatrany ny fanaraha-maso ho fisorohana ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary.
Ankoatra io tany Mahajanga io, tra-tehaka tao amin’ny fokontany Vohimena, kaominina Marovato Distrikan’i Tsihombe ihany koa ny lehilahy iray niaraka amin’ny gony misy zanan-tsokatra miisa 68. Io no vokatra azo nandritra ny fisafoana notanterahin’ny Madagascar National Parks, mpitantana ny valanjavaboahary Cap Sainte-Marie. Nandritra ny famotorana nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana Androy amin’ny alalan’ny Cantonnement Tsihombe sy ny Zandarimariampirenena Tsihombe no nahafantarana fa avy any Toliara ity lehilahy ity. Aorian’ny fanadihadiana dia hatolotra ny fitsarana ny olon-dratsy. Efa noraisin’ny Ministera an-tanana moa ny fikarakarana ireo sokatra ary efa napetraka amin’ny toerana afaka manaraha-maso azy izany. Raha fehezana izany, miisa 868 ireo sokatra notrandraha sy saika haondrana an-tsokosoko tamin’io faran’ny herinandro io.
Mbola tamin’io zoma io hatrany, tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena avy ao Toamasina tao Antaratasy – Ivoloina ny kamiao miisa 3 nitondra hazo voamboana (palissandre) miisa 341 sy hazo ala (Nanto) miisa 264 tsy ara-dalàna. Fantatra fa sambo avy any Mananara Avaratra no nitondrana ireto hazo ireto ary nampidirina tao anatin’ireo kamiao 3 ireo tao Foulpointe. Olona miisa 8 no voasambotra niaraka tamin’ireo hazo, izay nahitana ny tompon’ny hazo ary ny mpamily ny kamiao. Nogiazana avokoa ireo kamiao miisa 3 ireo sy ny hazo niaraka taminy. Ireo olona tratra kosa dia efa miatrika ny fanadihadiana iarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana Atsinanana sy ny Zandarimariam-pirenena ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana aorian’izany.
Manoloana ireo zava-misy rehetra ireo, manamafy hatrany ny fahamailoana ny MEDD miaraka amin’ireo mpitandro filaminana, indrindra mandritra izao vanim-potoan’ny fety izao.
Sarobidy Sidonie.



