Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FITRANDRAHANA HAZO TSY ARA-DALANA : Tambazotra iray no rava, ala 2 ha voatrandraka

Tra-tehaka ireo olona miisa folo,  nitrandraka sy mitatitra hazo tsy ara-dalàna ao amin’ny ala antsoina hoe Agnalafanja, fokontany Soatanimbary, kaominina Mitsinjo, distrikan’i Sakaraha, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Rehefa naheno ny fidinan’ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahaboboky ny fiara mpaka hazo an-tsokosoko, dia niezaka niafina. Saingy noho ny vela-pandrika notanterahin’ny Zandarimaria,  dia tratra teo amin’io ala io tokoa ny fiara nentin’ny mpamily sy ny tompony, izay samy teny an-toerana avokoa. Rehefa natao ny fisavana, dia tsy nahitana taratasy hahafahana mitrandraka sy mivarotra hazo ireo olona tra-tehaka ireo. Nandeha hatrany ny fisavana sy fitadiavana ireo mpiray tendro tamin’ity fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna ity.

Vokany, tafakatra 10 ireo olona tratra tamin’izany. Hazo « madriers » miisa 91 no tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo. Ankoatra izay,  ala mirefy 2 ha eo ho eo no efa voatrandraka tsy ara-dalàna, notontosain’ireo olona sarona tamin’ny fitrandrahana ala tsy nisy taratasy izao. Efa tena tambazotra mihitsy ireo olona tra-tehaka momba ity fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna ity. Nampidirina ambalam-pamonjana sy nogiazana tao amin’ny kaominin’ambanivohitra Mitsinjo, araka izany,  ilay fiara mpitatitra hazo. Araka ny tatitra, ireo fokonolona ao Mitsinjo no hisahana ny fiambenana ireo hazo voatapaka ireo. Araka ny voalazan’ireo mpitrandraka, saika hamidy ao Toliara ireo hazo ireo. Noho izany, mbola karohina ireo mpividy ary ny Zana-tobim-paritra ao Mahaboboky no misahana ny famotorana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer