Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FITRANDRAHANA SOKATRA AN-TSOKOSOKO: Voasazy 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy ny Depioten’i Soavinandriana
Nivoaka omaly 17 aprily ny didim-pitsarana teo anivon’ny PAC mahakasika ilay raharaha fitrandrahana sokatra an-tsokosoko nahavoarohirohy ny Solombavambahoakan’i Soavinandriana, Roméo Christophe Ramanatanana, sy ireo mpiara-miasa aminy miisa 4. Araka ny fampahafantarana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) dia sazy mihatra 10 taona an-tranomaizina no azon’ny 2 tamin’ireo olona tratra nitatitra ireo sokatra. Anisan’izany io Solombavambahoaka io. Miampy fandoavana lamandy 60 tapitrisa ariary io sazy io. Araka izany, eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy no hamitàn’io Solombavambahoaka io izay saziny izay.
Ankoatra ireo olona roa ireo dia sazy mihatra 4 taona an-tranomaizina no miandry ireo olona ambiny voasaringotra ao anatin’izao raharaha izao. Ny voapanga rehetra dia manefa onitra 2 lavitrisa ariary. “Manana 10 andro hampiakarana ny raharaha kosa izay tsy afapo amin’ny didy”, hoy ny fampahafantarana.
Raha tsiahivina, mbola am-perinasa io Solombavambahoakan’i Soavinandriana io, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy miisa 4, no voasambotry ny zandary satria nitondra sokatra miisa 112 an-tsokosoko teny Ambohibao Antehiroka tamin’ny alin’ny 24 desambra 2024. Tratran’ny zandary nifanolotra valizy tao anatina fiara roa izy ireo tamin’io alina io. Zandary mpanao fisafoana no nahatsikaritra azy ireo ka avy hatrany dia nanontany. Tsy nisy nahita navaly izy ireo no sady tsy nanaiky nosavaina. Nentin’ny zandary tany amin’ny biraony avy hatrany. Rehefa nosavaina ny fiara dia nahatrarana sokatra 112 isa mbola velona tao anaty valizy.
Porofo izao fa tsy hanavahana iza na iza ny fampiharana lalàna eto Madagasikara, na hatramin’ireo olom-boafidy aza. Efa voafaritra ao anatin’ny tanjona stratejika voalohan’ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (2025-2030) rahateo ny fanafoanana ny tsy matimanota.
Sarobidy Sidonie.




