Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FITRANDRAHANA TSY ARA-DALANA BIBY AROVANA: Fiara nentina polisy tra-tehaka nitondra zanaka Ankoay 5

Ahitam-botra ny fanaraha-maso tanterahana eny an-kianja ho fiarovana ny karazanjavamananaina eto Madagasikara. Nohamafisina izany tato ho ato, noho ny firongatr’ireo doro ala sy tanety ary ny fisiana fanondranana an-tsokosoko harena voajanahary. Omaly dia tra-tehaky ny ekipan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy teo anelanelan’i Marozevo sy Moramanga ny fiara 4×4 iray nitondra zanaka Ankoay miisa 5. Polisy nitondra basy no nitondra ny fiara. Tsy nanakana ireo ekipa nanao ny fisavana anefa ny fahitana izany. Napetraka tao anatin’ireny “cage” ireny ny biby ary tsikaritry ny ekipa avy lavitra. Avy hatrany dia atao ny famotorona ary hoentina eny amin’ny Fitsarana ny raharaha satria tsy amindrana fo ny fanararaotana ny harem-pirenena, hoy ny fampahafantaran’ny Ministera.

Tsara ny manamarika fa ny Ankoay na “Haliaetus vociferoïdes” dia tafiditra ao anatin’ny sokajiana n’ireo biby arovana, araka ny didy hitsivolana laharana faha 2006-400. Noho izany dia tsy azo hazaina sy ompiana ary indrindra tsy azo aondrana any ivelany.
Manoloana ny tranga toy izao dia manentana hatrany ny vahoaka Malagasy ho saropiaro sy ho sahy hitoroka ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary, ny Fitondram-panjakana. Azo atao tsara ny mitoroka ka miantso ny laharana 955 raha toa ka mahita trangana tsy fanarahan-dalàna.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer