Songadim-baovaoSosialy

FITSABOANA NY COVID-19: Misokatra, ary efa afaka mandray marary ny CTC-19 Soamandrakizay

4781 ireo mbola manaraka fitsaboana amin’ny Coronavirus eto amintsika, araka ny antontanisa farany. Midika izany fa efa feno avokoa ny Hopitaly lehibe rehetra, ny CSB, eny hatramin’ireo CTC-19 napetraka hatramin’ny herintaona aza. Izany indrindra no antony nanokafana ireo toeran-kafa hahafahana mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19. Ka isan’izany ny CTC-19 etsy amin’ny EPP sy CEG Manarapenitra Soamandrakizay.

Mahatratra 140 ny isan’ireo fandriana handraisana marary eny amin’ny CTC-19 Soamandrakizay, izay vao nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly. Amin’ny maha CTC-19 azy, dia ireo mararin’ny Covid-19 maneho « forme modérée » ka ilaina fampiasana « extracteur d’oxygène » no horaisina an-tanana eny an-toerana. Nanazava ny tomponandraikitra fa mizara roa ny lalana mivoaka sy miditra ao amin’ity toerana ity mba ho fitandrovana amin’ny aretina. Misy natokana ho an’ny mpitsabo ary misy natao ho an’ny marary sy ny daholobe.

Ho an’ny marary manokana, dia ahitana toerana fiandrasana ho an’izay marary mbola afaka miandry, avy eo mandalo « zone de triage » hijerena hoe iza no maika kokoa, ary efa misy fandriana efatra ao handraisana marary, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny toerana. Mizara ny efitranon’ny vehivavy sy ny lehilahy, ka ny vehivavy no ao ambany, ary ny lehilahy no any ambony. Ireo trano ireo dia samy manana ny toeram-pidiovany na ny ambany na ny ambony, hoy hatrany ny fanazavana.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nitsotra ny Filoha Andry Rajoelina fa efa feno daholo ireo CTC-19 etsy Mahamasina, Alarobia, Ivato, Village Voara. Izany no antony nametrahana ny CTC-19 indray etsy amin’ny EPP sy CEG Manarapenitra Soamandrakizay. Ity farany izay vao notokanana volana vitsy lasa izay. “Ny zavatra miseho eny an’ady no mitarika ny fandraisana fanapahan-kevitra”, hoy izy, ka navadika ho toeram-pitsaboana aloha ny sekoly. Notsindrian’ny Filoha fa ao amin’ny Boriborintany fahadimy no  betsaka indrindra an’ireo olona voamarina fa mitondra ny Coronavirus eto Antananarivo Renivohitra. Izany no nanokafana ny CTC-19 eny an-toerana. Ity farany izay nandray marary nanomboka omaly.

Efa manomana toerana hafa

Tetsy ankilany, efa nanomana toeran-kafa ihany koa ny Fanjakana amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary. Isan’izany ny etsy amin’ny Gymnase Ankorondrano izay mahazaka marary hatramin’ny 100 isa, saingy manomboka amin’ny sabotsy kosa vao mandray marary. Ankoatra izay, nilaza ny Filoha fa maro ireo maniry ny hitsabo tena any amin’ny hopitaly, na mankany amin’ireo tsy miankina. Tsapa anefa fa efa feno tanteraka ary tsy mandray olona intsony ireny toerana ireny. Teo anatrehan’izany, nisy ny trano fandraisam-bahiny maromaro niarahana niasa, antsoina hoe “Hopital/Hotel”, izay hahafahana mandray marary. Ny fitsaboana rehetra, ny fanafody, ny “oxygène”, dia hiantohan’ny Fanjakana iray manontolo, saingy ny hofan’ny Hotely kosa no hiantohan’ny marary, araka ny fandaminana nambaran’ny Filoha. Notsindriany, araka izany, fa efa nisokatra, nanomboka omaly, ny Hopital/Hotel etsy amin’ny Hotel Tsangatsanga Analakely, sy ny Live Hotel etsy Andavamamba. Manomboka ny Sabotsy izao, misokatra ihany koa ny Hotel Le Pavé eo Antaninarenina, sy ny Anjary Hotel. Manomboka amin’ny Alatsinainy kosa no misokatra ny Motel de Tana etsy Anosy.

Tafiakatra 859 ireo tranga vaovao voamarina

451 tamin’ireo tranga vaovao miisa 634 voamarina teto amin’ny Faritra Analamanga no fantatra fa eto Antananarivo Renivohitra, araka ny antontanisa nivoaka farany. Nandritra ny tatitra koa no nahafantarana fa fitiliana miisa 3 284 no natao nahazoana ny vokatra, ka tafiakatra 859 ireo tranga vaovao voamarina manerana ny Nosy. Tranga izay ambony indrindra hatramin’ny nisian’ny Covid-19 teto Madagasikara. Fito kosa no fantatra fa lavon’ny valanaretina indray. Mahatratra 4 781 ireo mbola manaraka fitsaboana ankehitriny, ka ny 301 amin’ireo no maneho ilay tranga misy fahasarotana. Nisy ihany koa olona miisa 198 sitrana.

Fermer