Songadim-baovao
FITSABOANA NY COVID-19: Nahomby ny andrana klinika
Nivaly omaly ny andrana klinika nataon’i Madagasikara momba ilay fomba fitsaboana miendrika tsindrona. Nilaza ny Filoha omaly fa nahitam-pahombiazana izany. Ary efa fantatry ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana sy izao tontolo izao. Ny “Artesunate” miaraka amin’ny Vitamine C no nahazoana ity fanafody atsindrona ity. Ny artesunate, izay efa nitsaboana ny tazomoka an-taonany maro teto amintsika. Tsara tsiahivina fa niarahana niasa tamina manam-pahaizana sy Profesora avy any ivelany ity fanafody ity , ary voamarina ankehitriny fa mahasitrana amin’ny Covid-19. Nilaza koa ny Filoha, omaly, fa afaka 15 andro no hivoaka ny CVO + vokarin’ny ozinina Pharmalagasy. Niaiky ny tenany fa nisy fahatarany ny famokarana azy ity noho ny fanajana ny fenitra sy ny andrana isan-tsokajiny tsy maintsy mbola natao.
Voafehy ny valanaretina
Nanao tombana amin’ny ankapobeny ny zava-misy eto amintsika ny Filoha omaly. Fotoana izay nilazany fa efa voafehy ny valanaretina eto Madagasikara ankehitriny. Nahomby ny paikady napetraka, hoy izy. Ary tamin’ny ankapobeny dia nanaraka ny fepetra ny Malagasy. Raha tsiahivina dia nahatratra 44,5% ny « taux de positivité » tany amin’ny volana jolay tany. Efa nidina ho14% izany ny fiandohan’ny septambra. Omaly, nilaza ny Filoha fa efa 10% io « taux de positivité » . Izany hoe, nahitana fihenany betsaka.




