PolitikaSongadim-baovao
FITSARANA AFRIKANINA TATSIMO: Andalam-pandinihina ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy
Mihazakazaka ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, manoloana ilay raharaha volamena 73,5Kg. Manoloana ireo tsaho sy vaovao diso miely isan-karazany, nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, izay nandiso ny filazana fa nolavin’ny Fitsarana Afrikanina tatsimo ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy. Ny marimarina kokoa dia mbola andalam-pandinihana izany izy ireo ankehitriny.
“Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha sady tsy mitsahatra mifandray amin’ireo manam-pahefana afrikana tatsimo ny Fitondram-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny”, io no fanambaran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny omaly, raha nitondra fanampim-panazavana bebe kokoa mahakasika ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Governemanta afrikana tatsimo momba ilay raharaha fanondranana volamena antsokosoko tra-tehaka tatsy Afrika atsimo. Raha tsiahivina dia natolotry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy an-tanana ny Masoivoho afrikana tatsimo miasa sy monina eto Madagasikara, ny 10 janoary 2021 lasa teo, ireo antontan-taratasy fangatahana fampiharana ny fifandraisana iraisampirenena hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana antsokosoko sy ireo olona miisa telo voasaringotr’ity raharaha ity. Araka izany, nampitain’ny Masoivoho tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Afrikanina Tatsimo (Departemantan’ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fiaraha-miasa) izany fangatahana izany. Ity farany kosa no nanolotra ireo antontan-taratasy ny tompon’andraikitra ara-pitsarana mahefa any an-toerana. Eo andalam-pandinihina ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy izy ireo ankehitriny. Naneho hevitra mahakasika izany indrindra ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana no sady mpahay lalàna, Imbiky Herilaza, fa tokony hizotra araka ny tokony ho izy ny fifampiresahana eo amin’ny firenena roa tonta, ary heverina ny haneken’ny Fitsarana Afrikanina tatsimo ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy.
Tsy misy hifandraisany
Mikasika ny raharaham-pitsarana tamin’ny ny 12 Janoary 2021 kosa indray, nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa nolavin’ny Fitsarana ao Kempton Park ny fangatahana hamotsorana vonjimaika ireo voampanga izay nataon’ny mpisolovava azy ireo. “Fanondranana harena sarobidy an-tsokosoko sy fandikàna ny lalàn’ny fadintseranana afrikana tatsimo no iampangana azy ireo”, araka ny fanazavana. Nanapa-kevitra ihany koa ny Fitsarana ao Kempton Park hanemotra amin’ny 1 Febroary 2021, ny fotoam-pitsarana momba ireo fandikan-dalàna ireo. Tsy misy ifandraisany araka izany, ny fanenjehana ireo voampanga ho nandika lalàna afrikana tatsimo, nataon’ny Fitsarana any an-toerana ny 12 Janoary izay hitohy ny 1 Febroary 2021, sy ny fangatahana ny hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana antsokosoko sy ireo voampanga, nataon’ny Fanjakana malagasy.
Miandry vaovao ofisialy
Diso avokoa, araka izany, ireo fanambarana rehetra mifanohitra amin’izay avoakan’ny Minisitera tomponandraikitra. Niresaka mahakasika izay ihany koa ny mpahay lalàna, Imbiky Herilaza, omaly, izay nanambara fa na misy aza ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto amintsika dia tsara kokoa raha miandry ny vaovao ofisialy hatrany vao manaparitaka vaovao. Nolazainy fa na dia samy maika aza ny Malagasy rehetra hahafantatra izay tena tompon’antoka sy ny fizotry ny fanadihadiana rehetra, misy ihany, hoy izy, pitsopitsony tsy azo ambara, na ilay antsoina koa hoe tsiambaratelon’ny fanadihadiana.




