PolitikaSongadim-baovao
FITSIDIHANA ARA-PANJAKANA : Nigadona teto Madagasikara omaly hariva ny Filohan’i Slovénie
Efa nigadona eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblikan’i Slovénie, Ramatoa Nataša Pirc Musar, hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana. Omaly hariva no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato notronin’ireo delegasiona miaraka aminy izy. Manamarika tantara goavana eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta izao fitsidihana izao satria manasongadina fifanaraham-piarahamiasa marolafy. Hisy, araka izany, fihaonan’ny Filoha roa tonta hotontosaina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, dia ny filoham-pirenen’i Slovénie sy ny filoham-pirenena malagasy. Ankoatra izay, hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa hosoniavina mandritra io fitsidihana ara-panjakana, tanterahin’ny filohan’i Slovénie atao eto Madagasikara io. Heverina, araka izany, fa ny finiavana fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, ny fisiana fitsidihana ara-panjakana tanterahin’ny filohan’i Slovenie eto amintsika izao, dia hitondra ainga vao eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Tombanana fa izao fihaonana izao koa, dia hijerena manokana ny soa iarahan’ny tany roa tonta. I Madagasikara rahateo mangataka ny fanohanan’ny governemanta sloveniana, ny amin’ny fiaraha-misalahy ny amin’ireo fandaharanasa mitondra mankany amin’ny fampandrosoana.
Ny Fanoratana.




