KolontsainaSongadim-baovao
FITSIDIHANA NY ROVAN’I MADAGASIKARA : Azo jifaina amin’ny alalan’ny aterineto ny tapakila fidirana
Ho fitohizan’ny fampanaraham-penitra ny Rovan’i Madagasikara, toy ireo Mozea goavana maro maneran-tany, dia niroso tamin’ny fiarahamiasa tamin’ny Orinasa Manoova ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hahafahana manjifa ny tapakila fidirana ao an-toerana amin’ny alalan’ny aterineto. Miditra amin’ny tranonkala “Tiketplace.io” no hahafahana manatanteraka izany. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia tsy sarotra mihitsy ny manjifa ny tapakila ao amin’ity tranonkala ity satria misy ny torolalana rehefa tafiditra ao anatiny. Ary efa voazara isan-tsokajiny ireo tapakila azo jifaina hahafahana mijery ireo tolotra samihafa eny amin’ny Rovan’i Madagasikara.
Notsindrian’ny Minisitra tomponandraikitra fa na mbola afaka herinandro vitsvitsy aza ny olona iray vao hitsidika ny Rova, dia afaka manjifa avy hatrany ny tapakila, izay misy “QR Code” ka iny fotsiny no aseho amin’ny tomponandraikitra eny amin’ny Rova rehefa tonga ny fotoana hitsidihana. Izany hoe, tsy misy mihitsy ambana amin’ny mety hisian’ny hosoka ao anatin’io fomba fiasa vaovao io. Etsy ankilany, mbola mitohy ihany koa ny fahafaha-manjifa mivantana ny tapakila eny an-toerana, izay efa natao ho maoderina kokoa ihany koa.
Omaly, nisy ny fijerena ny fampiharana ireo fomba fiasa vaovao amin’ny tapakila ireo teny amin’ny Rovan’i Madagasikara, nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Nandritra izany no nampahafantaran’ny Minisitra fa manodidina ny 800 ka hatramin’ny 1 200 isan’andro eo ireo olona tonga mitsidika ny Rovan’i Madagasikara hatramin’ny nisokafany indray ho azon’ny daholobe tsidihina ny 19 Jona 2023. Avo roa heny ireo tarehimarika ireo rehefa faran’ny herinandro. Amin’izao ankatoky ny Lalaon’ny Nosy izao, dia tsy manana tolotra manokana ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara fa mitovy amin’ny andavanandro ihany, saingy kosa noho ny fiarahamiasa amin’ny Minisiteran’ny Fizahatany dia nampidirina ao anatin’ny “City Tour”, izany hoe, ao anatin’ireo toerana azo tsidihina eto Antananarivo ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara.




