PolitikaSongadim-baovao
FITSIDIHANA NY SOLONTENAN’NY VONDRONA AFRIKANINA: Vaky am-batolampy indray ny lainga nafafin-dRavalomanana
Nihaona tamin’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina, ny filoha tany aloha, Marc Ravalomanana omaly. Nanambara ny tenany araka ireo serasera manodidina azy ireo fa tsy nankasitrahan’ny Vondrona afrikanina ny tsy fahafahany milatsaka. Nanambara ny solontenan’ny Vondrona afrikanina ity fa raharaha anatin’ny Firenena malagasy io ka tsy mitsabaka amin’izany velively mihitsy izy ireo, ho fanajana ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara. Vaky am-batolampy indray ny lainga nafafin-dRavalomanana…
Nihaona tamin’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina, ny filoha tany aloha, Marc Ravalomanana omaly. Nanambara ny tenany araka ireo serasera manodidina azy ireo fa tsy nankasitrahan’ny Vondrona afrikanina ny tsy fahafahany milatsaka. Nanambara ny solontenan’ny Vondrona afrikanina, Hon. Alice Nzomukunda, « fa raharaha anatin’ny Firenena malagasy io ka tsy mitsabaka amin’izany velively mihitsy izy ireo, ho fanajana ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara. Vaky am-batolampy indray ny lainga nafafin-dRavalomana… Nasongadin’izy ireo sy ny mpanara-dia azy nilaza fa « tsy nankasitrahan’ny Vondrona Afrikana (UA) ny tsy fahafahany nilatsaka, noho ny tsy fandoavany hetra fa mifanohitra amin’ny fomba amam-panao eo anivon’ny SADC. Na eo aza izany, vaky am-batolampy ny zava-mitranga satria nandainga Atoa Marc Ravalomanana ary tena felaka tehamaina ho azy io fanambarana miendrika « démenti » nataon’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina eto amintsika io. Tsy naneho ny heviny mikasika izay tsy fahafahan’Atoa Marc Ravalomanana milatsaka izay mihitsy ny Vondrona afrikanina satria raharaha anatin’ny firenena malagasy izany ka tsy mitsabaka amin’izany velively mihitsy izy ireo ho fanajana ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara Jereo ny fanambarana fa mazava be ny fitsipahan’ny UA ny teny nataon’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny tambajotran-tserasera taorian’ny fihaonany tamin’ilay solotenan’ny UA.
Fiantraikan’ny asa ara-diplomatika…
Noraisin’ny Vondrona afrikanina manokana izy fa mandray ny olompirenena rehetra avy amin’ny firenena mpikambana amin’ny Vondrona afrikanina ny solontenany eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Nisongadina fa fitsidihana ara-pomba tsotra no nisy teo amin’ny roa tonta. Na tsy maintsy mandainga aza, mba hitazomana ny hafanam-pon’ireo mpanara-dia, dia tokony mba asiana lojika ihany. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, tsy afaka hiteny amin’ny anarana Vondrona hafa tahaka ny SADC mihitsy ny Vondrona afrikanina. Raha manana ny heviny ny SADC dia ny solontenan’ny SADC no miteny fa tsy ny Vondrona afrikanina mihitsy.
Efa tsapa sahady ny fiantraikan’ny asa ara-diplomatika nataon’i Madagasikara ka nahatonga ny Filoha Andry Rajoelina voafidy ho Filohan’ny SADC manomboka ny Janoary 2025. Tsy nanatona rahateo ny SADC ka hoe hitory tahaka ny fanaony mahazatra amin’ny tranga tahaka itony intsony, ny filoha tany aloha, Marc Ravalomanana. eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny SADC aloha no tsara toerana kokoa raha hiresaka hoe fandaminana olana ara-politika eto Madagasikara.
Ny Fanoratana




