PolitikaSongadim-baovao

FITSINJARAM-PAHEFANA: Miakatra ho 30 tapitrisa Ar ny fanampiana ara-bola ho an’ny Kaominina

Tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin Sabotsy 27 aogositra 2022, lasa teo ao anatin’ny fitsidiham-paritra izay tanterahina amin’izao fotoana. Nisongadina tamin’ny kabary izay nataony tao Antsirabe ny fampiakarana ho 30 tapitrisa Ar ny fanampiana ara-bola omena ny Kaominina, raha toa ka 20 tapitrisa Ariary izany teo aloha. Izany no natao, hoy izy, dia hitsinjovana ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny Alarobia 02 mars 2022, ny fampiakarana ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana na « subventions » mifandraika amin’ny fampandehanan-draharaha ho an’ny na vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na « Collectivités territoriales décentralisées », Kaominina sy ny Faritra. Omaly, nandritra ny fitsidihany tao Antsirabe, dia nanambara ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, Tokely Justin, fa miahy sy mitsinjo ireo Vondrombahoaka itsinjarampahefana ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny tantsoroka maro samihafa, ary anisan’izany ny fampiakarana ny fanampiana ara-bola na « subventions de fonctionnement » ho an’ny Kaominina ho 30 tapitrisa Ariary raha toa ka 20 tapitrisa Ariary izany teo aloha. Ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny Kaominina, ny Ben’ny Tanàna, ny Lehiben’ny Boriboritany, ny Lehiben’ny Fokontany, hoy izy, no antoka voalohany amin’ny fampandehanan-draharaha sy fampandrosoana ny Kaominina ka tokony ho tohanana sy hitandro lalandava ny asany. Mbola noresahana, rahateo, ny fanolorana teo anivon’ny Parlementa tolo-dalàna ho fiarovana ny Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany eo am-panatanterahana ny asany izay mbola haverina dinihina eny amin’ny Antenimiera roa tonta.

Hetsika kopia faobe

Ankoatra izay, nanentana ireo mpandray anjara amin’ny atrikasam-paritra fakan-kevitra handrafetana ny PNDE koa ny Minisitra, nandritra ny fandalovany tao Antsirabe. Fototra iaingana mba hisian’ny fampandrosoana ifotony sy fitsinjaram-pahefana mifandraika amin’ny zava-misy isam-paritra izany, hoy izy. Nentaniny ihany koa ny vahoaka sy ny tompon’andraikitra rehetra momba ny hetsika fanomezana kopian’ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ho an’ny olom-pirenena feno 18 taona no ho mihoatra izay hatomboka amin’ny volana septambra ho avy izao. Fanamarinam-pahaterahana ara-panjakana izay hiantombohan’ny fisitrahana zo maro samihafa ny kopian’ny sora-pahaterahana ary betsaka koa ireo zo azo amin’ny fananana karapanondrom-pirenena.

Notanterahina nandritra ny fihaonana tao Antsirabe ny fanomezana mari-boninahitra  » Grand officier de l’ordre national » ny Lehiben’ny Distrikan’i Betafo sy ny fametrahana samboadin’ireo Ben’ny Tanàna ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra.

Fitsidihana tao Fenoarivobe

Tsara ho fantatra fa nialohan’ny nahatongavany tao Antsirabe dia nandalo tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava koa, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa Tokely Justin, ny zoma 26 aogositra 2022 teo. Anton’ity fidinana ifotony ity ny fampahafantarana sy fanentanana ny vahoakan’i Fenoarivobe amin’ilay hetsika fanomezana kopian’ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ho an’ny olom-pirenena 18 taona no ho mihoatra. Zo fototra maha-olona maro no sitrahan’ny olom-pirenena manana kopian’ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena toy ny fahafahana miasa, mifidy, misora-panambadiana, sns. Koa nentanina ny vahoaka rehetra mba hisoratra anarana eny anivon’ny Fokontany misy azy ireo.

Notanterahina tao an-toerana ihany koa ny famaranana ny Festival »Tamaboa  » TAnora Miray Andrin’ny BOngolava Avaratra, izay hetsika ara-kolotsaina sy ara-panatanjahan-tena fampivondronana ny tanora nokarakarain’ny Solombavambahoaka ao an-toerana. Nandritra ny lanonana famaranana no nanolorana ihany koa » moto » ho an’ireo Kaominina 10 ao anatin’ny Distrika. Tamin’ny alalan’ny CIAD moa no nahazoana anireo moto ireo izay ampitaovana ny Ben’ny Tanàna tsirairay amin’ny fanatanterahana ny asany.

Fermer