PolitikaSongadim-baovao
FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY: Tombanana amin’ny asa vitany ireo Governoram-paritra
Tsy fanovana anarana fotsiny ihany fa fampitomboina fahefana mihitsy no nataon’ny Fanjakana ankehitriny ireo Governora isam-paritra. Tanjona ny hisian’ny tena fitsinjaram-pahefana marina eto amin’ny tany sy ny firenena, izay antoka ho an’ny fampandrosoana. Omaly, nisy ny Filankevitry ny Governora voalohany natao tao Antsohihy. Fomba fiasa izay ho tanterahana isaky ny iray volana sy tapany, hahafahana manao tombana ny asa vita sy tokony ho mbola ataon’ireo Governora.
Ny Didim-panjakana laharana 2019-18-66, andininy fahafito, no nanendry sy namaritra ireo asa sy ny fahefana ananan’ireo Governora isam-paritra eto amintsika. Voaresaka ao anatin’izany fa ny governora no mijery, mamaritra sy maminaviana ny asa tokony hatao hampandrosoana ny Faritra. Anjaran’ny Governora koa no manao ny fandaharana sy ny fanatanterahana ny tetikasam-pampandrosoana eo anivon’ny Faritra. Tsy maintsy tombanana amin’ny asa vitany tany amin’ny Faritra iadidiany avy, araka izany, ireo Governora ireo. Mba hahafahana miroso amin’izany, hisy ny Filankevitry ny Governora hotanterahana isaky ny iray volana sy tapany. Amin’io fotoana io no hitondran’ireo Governora ireo tetikasa hatao isaky ny Faritra, ary hahafahan’ny Fitondrana foibe mandray fepetra mifanaraka amin’izay ilain’ny Faritra ihany koa. Nilaza ny Filoha, omaly, fa manamarina ny finiavan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fanatanterahana ny Filankevitra. Hahafahana manatanteraka ny asa fampandrosoana tsy nisy nandritry ny 60 taona izany isaky ny faritra.

Fahaleovantenan’ny Faritra
Tao amin’ny Maison des élus Antsohihy ny Filan-kevitry ny Governoram-paritra voalohany no natao omaly. Nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitra sasany ao amin’ny Governemanta. Tetsy ankilany, tonga nanatrika ny Filankevitra avokoa ny Governora miisa 18 voatendry. Nanambara ihany koa ny Filoha fa tsy maintsy hirosoana ny fanendrena ny Governora amin’ny faritra tsy mbola misy izany. Fotoana izay nampahatsiahivan’ny Filoham-pirenena ny andraikitra andrasana amin’ny Governora isaky ny Faritra. Miandrandra ny Governora ny vahoaka isaky ny faritra iadidiany, hoy ny Filoha. Tsy tokony hisy intsony ny fialana olana amin’ny tsy fahatanterahana ny asa fampandrosoana amin’ny faritra iray. Tompon’andraikitra amin’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa sy ny asa fampandrosoana amin’ny faritra na amin’ny tsy fandrosoana ny Governora. Isany izany ohatra ny asa fanamboarana lalana izay efa misy ny fitaovana goavana avy amin’ny fanjakana apetraka isam-paritra hanaovana izany. Ankoatra izay, hanana ny fahaleovantenany ny Governora isaky ny faritra. Voarakitra ao anatin’ny Fandaharanasa Ankapoben’ny Fanjakana ( PGE) ihany koa fa afaka mamolavola sy mametraka ny tetikasa manokana ho fampandrosoana ny faritra sy hamaly ny filàn’ny mponina ao aminy ny Governora. Afaka mangataka na mijery na mifampiraharaha ny fomba hanatanterahana izany vinan’asa izany. “Tsy tokony hiankina be intsony amin’ny fanjakana foibe ny faritra amin’ny asa fampandrosoana fa hametraka ny vinan’asany”, hoy ny Filoha.
Lalana mirefy 10 Km isaky ny Faritra
Nasaina nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny fandraisana ny fitantanana ny Faritra ny Governora isanisany. Anisany nanaovana tombana azy ireo ny momba fanamboarana lalana mirefy 10 km isaky ny faritra sy ny fanamboarana efitrano fianarana 6 isaky ny faritra. Noresahina kosa ny momba ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny asa atao mba haharitra izany. Efa tafiditra tao anatin’ny tetibolan’ny Governora ny momba ny efitrano fianarana. Anjaran’ny governora kosa no manara-maso ny fanatanterahana ny asa, hoy ny fanazavana.
Samy hafa ny fidiram-bolan’ny Faritra tsirairay
Tsy mitovy ny fidiram-bolan’ny faritra tsirairay toy ny hetra izay miankina amin’ny halehibeny sy ny habetsaky ny distrika ao amin’ny fari-piadidiany. Isany ahitana taratra izany ny elanelana be misy amin’ny impôts synthétiques voarain’ny faritra. Tonga 9 miliara ariary izany ho an’ny faritra Analamanga isantaona raha toa ka 102 tapitrisa ariary isantaona izany ho an’ny faritra Androy. Tanjona ny hametraka fandrosoana mirindra sy fandrosoana mitovy tantana eto Madagasikara. “Misahana asa lehibe ny Governora amin’ny fampandrosoana ka efa tsy natao ho Lehiben’ny Faritra intsony fa novaina mihitsy ny fiantsoana ho Governora tahaka ny hita amin’ny tany mandroso manerantany”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Misokatra ny fifaninanana. Hojerena ny faritra mahavita lalana sy mamaky lalana betsaka indrindra. Efa omena ny fitaovana goavana sy feno amin’ny fanatanterahana izany ny faritra. Toy ny compacteur, niveleuse, tracteur, kamiao. Takiana ny hanan’ny governora ihany koa fahaiza-mitantana. Hanao tombana ny asa vitan’ny Governora ny Filoha ary hiainga amin’izany ihany koa ny famaritana ny tetibola ilain’ny faritra amin’ny asa vita sy ny asa tokony hatao. Zava-dehibe ny fanomezan-danja indray ny faritra sy ny faritany izay efa tsy nisy efa ela ho an’ny fampandrosoana ny Firenena.




