PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FITSINJOVANA NY ARA-TSOSIALY: Nomen’ny Fanjakana 48ora ny Jirama hanitsiana ny vidin-jiro

Tsy nisy tsy nitaraina ny mpanjifa tamin’ny sarany vaovao nataon’ny Jirama tao anatin’ilay “Tarif Optima”, izay voalaza fa nampidanga avo telo heny ny vidin-jiro teto Madagasikara. Omaly, nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra no nandinihana io sarany vaovao nataon’ny Jirama io. Hita nandritra izany fa tsy mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy io fanovana io, ary nomen’ny Fanjakana malagasy 48ora ny eo anivon’ny Jirama hanitsiana izany.

Ahoana indray moa ity vidin-jiro lasa 764Ar ity ny 2ème Tranche? lasa avo telo heny amin’ny vidin-jiro teo aloha ny vidin-jiro vao nisy an’io “Tarif” vaovao io, nefa ny fandaniana tsy niova. Ny jiro koa anefa tapaka maharitra hatramin’ny adin’ny 2 na adin’ny 3 ao anatin’ny iray andro…”, ampahany amin’ny fanehoan-kevitry ny olona io, any anatin’ny tambazotra sosialy. Omaly, nandray fanapahan-kevitra ny Filankevitry ny Minisitra fa mila harindra haingana mba hifanaraka amin’ny fahefa-mividy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara, izay vao avy nisedra ny olan’ny valanaretina ny vidin-jiro sy rano hampiharin’ny Orinasa Jirama. “ Tokony tsy mbola hihatra ny fampiakarana ny saran’jiro sy rano mba ho entina mitsinjo ny fiainam-bahoaka sy ny fiainan’ny isan-tokantrano. Ao anatin’ny 48ora no tokony hahavitan’izany mba hahafahana mitsinjo ny mety ho olana ara-tsosialy ateraky ny fiakaran’ny vidin-jiro sy rano”, hoy ny fampitam-baovao.

Nohamafisin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, omaly,  fa ny Orinasa Jirama dia mbola mandray ny “subvention” anarivony tapitrisa ariary avy amin’ny Fitondram-panjakana foibe, noho izany, ilaina ny fampidinan’ny Orinasa Jirama ny saran’ny Jiro sy rano izay mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka. Efa napetraka avokoa ireo paikady rehetra mba hitanana ny vidin-jiro sy rano mba tsy hiakatra ary tokony hitohy ireo ezaka efa natomboka sy natao hatrizay, hoy hatrany ny fanazavana.

Ilàna fakan-kevitra

Omena 48ora ny Jirama handaminana ireo faktiora izay tsy takatry ny rehetra intsony ny fanefana ireo sarany vaovao, nampiharina vao haingana, kanefa hita sy tsapa fa mihoa-pampana ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy intsony”, hoy ny Filan-kevitry ny Minisitra. Ankoatra izay, nohamafisina koa fa ilaina hatrany ny fakana ny hevitry ny Minisitera mpiahy sy ny Governemanta manontolo amin’ny fampiakarana ny vidin-jiro sy rano izay misy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ny mponina manerana ny Nosy. Etsy ankilany, omaly, mialohan’ny fivoahan’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, nampiantso ny mpanao gazety ny tomponandraikitra eo anivon’ity orinasa ity, mahakasika io “tarif optima” izay mampikaikaika ny mpanjifa io. Nolazain’izy ireo tao anatin’izany fa  mihena ny vidin-jiron’ny 80%-n’ny mpanjifa manerana ny nosy miaraka amin’ny tarifs optima. Andrasana, noho izany, ny tohin’ny raharaha.

Fermer