Songadim-baovaoSosialy
FITSINJOVANA NY SOSIALIM-BAHOAKA: Tonga ny vary 6 000 taonina nafaran’ny Fitondram-panjakana
Mitohy hatrany ny fanalefahana ny fahasahiranam-bahoaka ataon’ny Fitondram-panjakana. Tonga indray ny vary milanja 6 000 taonina nafaran’ny Fitondram-panjakana, ao amin’ny Seranan-tsambon’ny Toamasina. Haparitaka manerana ireo tsenam-pokontany avy hatrany indray ireto vary vao tonga, raha ny fantatra…
Ho porofon’ny fanakaikezan’ny Fitondram-panjakana ny vahoaka iadidiany, sy ho fanalefahana ny fahasahiranana aterak’izao krizy ara-pahasalamana misy eto amintsika izao, dia tonga indray ny vary nafaran’ny Fitondram-panjakana avy any ivelany, amin’ny vidiny mora, ary haparitaka manerana ireo tsenam-pokontany rehetra manerana ny Nosy. Ny faran’ny herinandro teo no nigadona tao Toamasina ny sambo lehibe nitondra ireo vary milanja 6 000 taonina, ary haparitaka tsy ho ela, raha ny fantatra. Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka, fa indrindra anatin’izao fotoan-tsarotra izao, ka isan’izany ny fahatongavan’itony vary nafarana itony, izay amin’ny kalitao ambony “riz de luxe” fa tsy araka ny novoizin’ny sasany tamin’ny andiany voalohany fa vary “stock”. Raha tsiahivina, tamin’ny volana janoary no tonga teto amintsika ireo vary nafarana andiany voalohany, izay milanja 7 000 taonina, nafaran’ny Fitondram-panjakana, hatrany. Tonga nitsena izany fahatongavana izany ny Filoham-pirenena, raha tsiahivina, ary nanamafy fa ireo vary mora ireo dia haparitaka avy hatrany eny amin’ireo tsena manokana isaky ny fokontany manerana ny Nosy, tamin’ny vidiny Ar500 ny kapoaka.
Paikady hitsinjovana ireo mpiray tanindrazana…
Fantatra, fa tafiditra ao anatin’ny paikdy entin’ny Fitondram-panjakana hitsinjovana ireo mpiray tanindrazana rehetra, manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ny fahatongavan’ireny vary nafarana ireny. 20 andro taorian’iny andiany voalohany iny koa, no tonga ny sambo faharoa nitondra vary milanja 8 500 taonina. Nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika tamin’io andiany voalohany io, fa ho avy isam-bolana ireo sambo mpitondra vary nafarana ireo, mandra-pidin’ny vidim-bary eny an-tsena, mba hisitrahan’ny rehetra amin’ny fahefa-mividiny ireo vary mety sy antonony. Mbola mamerina ny fampitandremana ireo izay minia mampiakatra vidim-bary, sy ny mety ho fanararaotana ny mpiray tanindrazana ihany koa, ny Filoha.
Stan R.



