SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FITSINJOVANA NY VAHOAKA : Manomboka rahampitso, 1 200 Ar ny kilaon’ny Vary Tsinjo
Ny hahafahan’ny vahoaka madinika misitraka vary sy ireo sakafo ilaina amin’ny fiainana andavandro amin’ny vidiny mirary no tanjon’ny Fanjakana tamin’ny fampidinana indray ny vidin’ny Vary Tsinjo ho 1 200 ariary ny kilao. Mifanindra an-dalana amin’izany koa ny famerana ny vidin’ny menaka ho 4 000 ariary ny litatra. Eny amin’ireo tsena mora irery ihany no hahafahana manjifa ireo.
Tsy nijanona tamin’ny fanafarana vary avy any ivelany fotsiny ihany ny Fitondram-panjakana mba hanampiana ny vokatra miditra eto amin’ny tsena anatiny, fa mitohy mikaro-bahaolana ihany koa amin’ny hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka izany vary izany. Raha toa ka tamin’ny sarany 1 500Ariary ny kilao, no nanjifana ilay Vary Tsinjo, hatramin’ny nahatongavany teto Madagasikara, dia noferan’ny Fanjakana ho 1 200 Ariary indray izany manomboka rahampitso zoma, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Mifanindra an-dalana tamin’izany ihany koa ny fampidinana ny vidin’ny menaka ho 4 000ariary ny litatra. Hihatra izany eny amin’ireo tsena Mora rehetra efa natokana hivarotra ireo entana ireo ary in-telo isan-kerinandro no hanaovana izany, araka ny tatitra hatrany, dia ny Alatsinainy, Alakamisy ary Sabotsy. Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina no hanombohana ny asa, hotohizana eny anivon’ny renivohi-paritany rehetra izany amin’ny herinandro ambony. Hisy ny fanarahana akaiky ny fampiharana sy ny fitsinjarana izany manerana ny Nosy.
Vidin’entana ilaina andavanandro
“Tsy ekena ny fananararaotana sy fampiakarana ny vidin’entana eny an-tsena izay mipaka mivantana any amin’ny Vahoaka”, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Hisy, noho izany, ny fivoriana lehibe iarahana amin’ny mpandraharaha, ny mpamongady, ary ny mpaninjara miantsehatra eo amin’ny fitsinjarana ny sakafo ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina, ka hametrahana ny lamina sy hifampiresahana handrindrana ny vidin’entana mba hifampitsinjovana manoloana ny olana nateraky ny valanaretina sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny hampihena 10% ka hatramin’ny 18% ny vidin’entana ilaina andavanandro eny an-tsena. Efa nanatsidika io notapahan’ny Filankevitry ny Minisitra io ny Governoran’Analamanga omaly, izay nilazany fa hihena daholo koa ny vidin’ny PPN rehetra manomboka amin’ny herinandro. Izany dia fanapahan-kevitra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika hitsinjovana ny vahoaka. Efa misy fifampiresahana amin’ny matihanina rehetra amin’ny vary sy ny PPN, hoy izy, fa tsy atao an-tery.




