PolitikaSongadim-baovao

FITSIRIHANA MOMBA NY FITANTANAM-BOLA TAO ANTSIRANANA : Nahitana lesoka ny fitantanam-bolam-panjakana sy vatsim-pianarana ary ny jono

Nandritra ny tatitra ampahibemaso (Rapport public) ny taona 2023-2024 nataon’ny Fitsarana ara-bola Antsiranana, ny 30 Aprily lasa teo, no nahafantarana, fa samy voakasiky ny tsy fanarahan-dalàna avokoa ny fitantanam-bolan’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy orinasam-panjakana, ary ireo sampan-draharaham-panjakana miankina aminy ao anatin’ny Faritra Diana sy SAVA, nandritra iny taona 2024 iny. Ny Fitsarana ara-bola moa, izay miandraikitra ny fitsirihana ny fitantanam-bola amin’izy ireo, ka tsikaritra tao anatin’izany fitsirihana izany, ny mikasika ny fitantanana ny vatsim-pianarana eny anivon’ny Anjerimanontolo, ny resaka Jono an-dranomasina, ary ny seha-pitantanam-bolam-panjakana. Raha tsiahivina, dia maro ireo Ben’ny tanàna voasaringotra amina tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fandehanan-draharaha eny ifotony. Ankoatra ny Antenimierandoholona izay miahy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (Ben’ny tanàna), dia mahatsapa manana adidy aman’andraikitra amin’ny fanofanana sy fanomezana toromarika ho amin’ny fitantanana mahomby ireo Ben’ny tanàna ihany koa, ny eo anivon’ny Fitsarana ara-bola. Araka izany, tsy mitsara fotsiny no azy ireo, fa eo indrindra ny fametrahany arofanina mba tsy haha tafalatsaka ireo mpitantana eny ifotony amin’ny fakam-panahy sy ny tsy fahaiza-mitantana. Mba hampihenana indrindra koa ny tahan’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’izay lafiny fitantanam-bola izay. Araka izany, taorian’ity tatitra nataon’ny Fitsarana ara-bola nataon’ny tao Antsiranana ity, dia nitohy tamin’ny fampiofanana ireo Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy akaiky, ny fotoana, araka ny politikan’ny Fitsarana napetraky ny Minisitra, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Fanofanana izay miompana indrindra amin’ny fitantanana ny kaominina. Tafiditra anatin’izany indrindra ny ara-bola mba hisian’ny fitantanana mahomby sy manara-dalàna, ary koa hisorohana ny fandikan-dalàna sy ny sazy mety aterak’izany. Tao anatin’izany koa ny fampahafantarana ireo andraikitra sahanin’ny Fitsarana Ara-bola, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana, nitohy tamin’ny fandraisan’anjaran’ny solon-tena avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany tonga nanatrika ny fotoana. Nanatrika sy nisolon-tenan’ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany, ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR), Raveloson Aimé Gilbert, miampy ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer