Songadim-baovao
Fivadiham-pitokisana 200 tapitrisa ariary : Mpivady novonoin’ny zana-kavany, tamin’ny fomba feno habibiana
Nampivarahontsana ny nahita ny fatin’izy mivady afakomaly, izay tao anaty korontam-bato, tao Ambohimanjanaka, fokontany Ambohimitsinjo, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrikan’Antananarivo Avaradrano, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Ny zana-kavany niaraka tamin’ny olona efatra no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy ireo, noho ny resaka fivadiham-pitokisana, tamina vola mitentina 200 tapitrisa ariary….

Nahaontsa tanteraka ny nahita ny fatin’izy mivady afakomaly, izay tao anaty korontam-bato, tao Ambohimanjanaka, fokontany Ambohimitsinjo, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrikan’Antananarivo Avaradrano, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Ny zana-kavany niaraka tamin’ny olona efatra no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy ireo. Noho ny fatahoran’ilay zana-kavany antsoina hoe Eric, hiakatra fitsarana no isan’ny nahatonga ny famonoana azy ireo. Raha tsiahivina ny tantara, niharan’ny fivadiham-pitokisan’ny havany ireto mpivady, izay avy any amin’ny faritra Sava, saingy mipetraka atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Raha ny angom-baovao, ny volana febroary 2022 no niharan’ny fivadiham-pitokisana voalohany, mitentina 480 tapitrisa ariary izy mivady. Ny zanak’anabavin’ilay rangahy no nasaina nitantana ny volabe io, tany Sambava. Raha ny fantatra, hofantrano azy mivady, tao Sambava io niharan’ny fivadiham-pitokisana io. Rehefa nametraka fitoriana izy mivady, dia nidoboka am-ponja vonjimaika ao Antalaha ireo zanak’anabavin’ilay rangahy roa ireo. Sady manana tranobe ao Sambava izy mivady no manana trano koa etsy 67 Ha. Raha ny tokony ho izy, afakomaly, 21 marsa 2022 no tokony ho nanatanterahana ny raharaham-pitsarana tao Antalaha. Ny 14 marsa lasa teo, no efa tonga teto Madagasikara izy mivady, hanatrika ny raharaham-pitsarana, ary nivantana tao amin’ny hotely lehibe iray tetsy Tsaralalana. Ankoatra izay, nankinin’ilay Ramatoa tamin’ny zanak’anadahiny antsoina hoe Eric 44 taona ny fitantanana ny hofana tranobe miisa telo, etsy 67 ha, izay mitentina hatrany amin’ny 200 tapitrisa ariary mahery. Ity farany, izay mbola mibodo efitra maromaro ao amin’ireo tranobe.
Niaiky ny heloka vitany i Eric…

Nisy fotoana ilay Ramatoa tompon-trano nandefa SMS tany amin’ilay mpanao famotorana tany Sava, fa nasain’i Eric nitsidika ny trano namboarin’ilay S. Amina, iray amin’ireo efa nadoboka am-ponja izy ireo. Taorian’ny fandraisan’ilay mpanao famotorana io soratra maro sosona io (SMS) dia niezaka niantso ilay Ramatoa ny avy ao amin’ny GAPJ Sava, saingy efa tsy tratra antso intsony izy. Nisy, araka izany, fandraisana andraikitra nataon’ny GAPJ Sava niaraka tamin’ny Sampana fikarohana heloka bevava eto Antananarivo. Nosamborina avy hatrany i Eric. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando, niaiky ny heloka vitany izy, ary nanambara fa namono azy mivady. Ny 17 marsa 2022 tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro no nitondra azy mivady tamin’ny fiarany manokana izy, izay voalaza fa hitsidika ilay trano namboarin’ilay Saïd Amina.
Lalana mihazo an’Imerinkasinina no nizoran’izy ireo. Tsy izy irery anefa no nahavanon-doza nahafaty ireo mpivady, fa nisy olona efatra hafa niaraka taminy. Ny roa tamin’ireo, dia noraisina teny akaikin’Andralanitra, raha ny roa hafa kosa, efa niandry tany amin’ilay toerana nanatanterahana ny famonoana. Nambarany fa notanterahin’izao famonoana amin’ny fomba feno habibiana izao, noho ny fatahorany hiatrika fitsarana. Fotoana fohy, taorian’ny fiaiken-keloka, nasaina nitarika ny toerana nisy ny razana i Eric, niaraka tamin’ny zandary. Tao amin’ny toerana ao Ambohimanjanaka, fokontany Ambohimitsinjo, kaominina ambanivohitra Ambohimanambola, distrikan’Antananarivo Avaradrano no no hita ny fatin’izy mivady. Taorian’ny fizahana ny razana notanterahin’ny lehiben’y mpitsabo ao amin’ny CSBII any an-toerana, nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana. Natao andrimaso ao amin’ny Sampana mikaroka ny heloka bevava etsy Fiadanana, i Eric. Efa nampandrenesina ny fianakavian’ireo niharam-boina.



