PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FIVAHINIANAN’NY FILOHA TAO AMIN’NY TVM : Nitondra vahaolana ho an’ny Jiro sy Rano mampikaikaika vahoaka

Nivahiny tao amin’ny Fahitalavi-panjakana TVM ny Filoha Andry Rajoelina omaly hariva. Nasongadiny fa henony ny fitarainan’ny vahoaka momba ny tsy fisian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro vokatry ny haintany. Niezaka nitondra vahaolana fohy ezaka sy lavitra ezaka ny tenany. Na izany aza, tsy ampy ny fanazavan’ny tomponandraikitra momba ny fisahanana ny resaka jiro sy rano…

« Henoko ny fitarainan’ny vahoaka momba ny tsy fisian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro ». Ampahany amin’ny resadresaka nataon’ny Filoha Andry Rajoelina,  raha nivahiny tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM izy. Tsy niolaka izy nanambara fa tsy ampy ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera mpiahy sy  ny Jirama. Nahitsy ny Filoha nanambara tamin’ireo tomponandraikitra, ampahafantaro ahy ny olana, dia inona ny vahaolana apetrakareo. Resy lahatra ny Filoha fa misy ny olana ary ny vahaolana dia ampahafantarina ny vahoaka malagasy ary ny Fitondram-panjakana no mitondra izany. Nasongadin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany fa tsy maintsy mahita vahaolana momba io olan’ny jiro sy ny rano io. « Ny olana dia ao anatin’ny haintany isika izao. Ny ankamaroan’ny olona izay mampiasa vovo aza, dia tsy misy rano rehefa fotoan’ny maintany tahaka izao. Ny ranon’ny Jirama indray, raha ho an’Antananarivo, natao ho an’olona miisa 300.000. Ankehitriny anefa, efa tafakatra 3.000.000 ny isan’ny mponina ao Antananarivo renivohitra. Tsy ampy intsony ny famokaran-drano ho an’ny vahoakan’Antananarivo », hoy izy nanamafy. Ny rano ilaina ho an’ny vahoaka malagasy, dia 300 tapitrisa litatra isan’andro, kanefa ny rano izay vokarina, dia 200 tapitrisa litatra isan’andro. Antony mahatonga ny fisiana  fifandimbiasana fanapahana rano io.  Hivory hiaraka amin’ireo tomponandraikitra, ny Filoha, dia tokony hisy ny fitaterana rano amina siniben-drano lehibe « bonbonne » manerana an’Antananarivo, miaraka ny fandraisana andraikitry ny Jirama amin’ny fanaterana rano amin’ny fotoana voatondro. Mazava, araka izany, ny fampitomboana ireo kamiao lehibe hitatitra ireo siniben-drano lehibe, ho amin’ny vahaolana vonjimaika.

Vina lavitra ezaka…

Hisy, araka izany, fa ny  fandavahana « forage » rehetra eto Antananarivo, dia ho ampitomboina ho 35 hahazoana rano. Mila ampiana ny famokarana sy ny fantsona mitondra ny rano eny amin’ny faritra ambony rehetra. Tafiditra ao ny fanoloana ny fantsona rehetra, izay efa tranainy, amin’ny alalan’ny tetikasa lehibe iray « Tana water free ». Hanampy ny minisitra mpiahy ny Filoha, ary hanafaingana ny asa tanterahina rehetra, mba hampihenana ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo renivohitra, hahazoana ny rano fisotro madio.

Mikasika ny jiro, olana goavana, satria mivarotra fatiantoka ny an’ny Jirama. Ny antony ny famokarana herinaratra Jirama, dia mivarotra fatiantoka. Zary lasa mibaby fanohanana ara-bola ny Jirama ny Fitondram-panjakana, izay mahatratra 250 Tapitrisa dolara.  Mitombo ny filana resaka jiro, ka tokony hitombo koa ny famokarana ny angovo. Hisy ny  « Parc solaire » hamatsy 300 Megawatt isan-taona, izay  vahaolana, nambaran’ny Filoha, ary  efa ao ireo. Navoitrany, fa ao anatin’ny herintaona , hametraka 250 Mgw amina « Parc solaire ». 200 Mgw no apetraka manerana ny renivohi-paritany. Ho an’i Madagasikara iray manontolo dia 600Mgw ny angovo ilaina, ary mampiasa solika avokoa ireo. 1000 Mgw no hipetraka ao anatin’ny efa-taona.  Hohafainganina ny fametrahana ireo tohodrano lehibe toy ny Sahofika, Ivolobe sy ny maro hafa. Telo taona sy tapany fara fahaingany. Tsy mahavita tena anefa isika, fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa. Notsorin’ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny tafa nataony omaly, fa  rehefa maintany dia mihena ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano. Ny ao Andekaleka, manana 112 Mgw isika, saingy mihena be izany rehefa maintany. Notsorin’ny Filoha, fa isika Malagasy ihany no manimba azy io, vokatry ny famotehana ny ala sy ny maro hafa. Nisy ny toromarika nomen’ny Filoha ny Jirama ho fitsinjovana ny vahoaka malagasy, dia ny fandefasana ny « turbine » anankiroa mba tsy hahatapaka ny jiro eto an-drenivohitra.

Pierre M.

Fermer