Songadim-baovaoSosialy
FIVAROTANA ETSY ANALAKELY : Nanaiky ny fandaminana vaovao napetraky ny Kaominina ny mpivarotra
Resy lahatra manoloana ny fitarainana nataon'ireo mpivarotra mikasika ny fandaminana napetrakao hamindrana azy ny teo anivon'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo, rehefa nihenjan-droa ny tady tao anaty andro vitsivitsy. Misy kosa fepetra napetraky ny Kaominina na teo aza, fanekena ny fangatahan'izy ireo...
Taorian’ireo fihaonana nitadiavana fifandaminana nisy teo amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo sy ireo mpivarotra Etsy Analakely, dia namoaka fanambarana mirakitra fandaminana vaovao ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (KAR), omaly alarobia 02 aprily 2025. Raha tsiahivina aloha, dia nisy ny fihaonana farany niarahan’ny roa tonta, taorian’indroa miantoana, ny talata lasa teo. Fantatra tao anatin’izany fa niravona ny fifandroritana nisy teo amin’ny roa tonta, ary nisy ny fandaminana niraisana mikasika ny mpivarotra eny amin’ny JJ Rabearivelo, Super U, Zaimaika, ary Itokiana. Niaraha-nametraka tao anatin’izany ary, fa mipetraka ny fanajana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ho an’ny mpandeha an-tongotra. Ny arabe tsy maintsy mirefy 12 mettra, ary 1,8 metatra no natao ho an’ny mpivarotra. Ny eo anivon’ny KAR kosa, dia manohy ny fanadiovana sy ny fametrahana ny lamina niaraha-nanaiky, ary manara-maso izany.
Ny isavorovoroan-kilatoana?…
Raha hiverenana dia ny zoma 28 Martsa teo no nanombohan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, niantsoan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny solontenan’izy ireo, mba hametrahana ny lamina vaovao noho ny ho fanatanterahana ny tetikasa lehibe tsy maintsy hapetraka eo Analakely, izay hatomboka ny volana Mey ho avy io. Nametraka araka izany, ny KAR, fa hafindra eny anelanelan’ny Pavillon sy ny Esplanade avokoa ireo mpivarotra eny an-tsisin-dalana, anisan’izany ireo voalaza Etsy ambony. Izany hoe tsy miala eny Analakely izy ireo fa misy kosa toerana hita fa mety handaminana izany. Tetsy an-kilan’izany anefa, tsy nanaiky io fandaminana io ny solontenan’ireo mpivarotra. Tohan-kevitr’izy ireo tamin’izany ny hoe « sarotra ny miala amin’ny mahazatra manoloana ny fahasarotana amin’izao fotoana. Etsy an-daniny koa ny fahasarotan’ny fanamasahana toerana vaovao sy ny fahateren’ny toerana hamindrana azy ireo. Nihenjana teo ny tady, ary nanohy ny fitokonany hatrany ireo mpivarotra, ny alatsinainy 31 Martsa teo, izay fotoana farany hamindrana ireo mpivarotra eny amin’ny toerana napetraky ny KAR hifindran’izy ireo. Nafampana ny fitakiana ny alatsinainy voalaza io, ka dia nirosoana indray ny dinika noheverina hisian’ny marimaritra eo amin’ny roa tonta. Nandroso fandaminana vaovao indray ny KAR, fa hanome toerana miisa 500 ho azy ireo eo amin’ilay toerana voalaza teo aloha, ary fanampin’izay dia tsy handoavan-ketra mandritra ny iray volana izany, ho fanazarana ireo mpanjifa. Ny talata 01 aprily teo anefa, tonga teo anoloan’ny vavahadin’ny Kaominina mihitsy ny fitakian’ireo mpivarotra, nanohy ny tsy fahafam-pony tsy hiala eo amin’ny toerana nahazatra azy. Nisy io fifampidinihina farany io tamin’izay, ary omaly maraina no namoaka fanambarana farany mikasika ity disadisa tamin’ny mpivarotra eo Analakely ity ny KAR. Nankasitraka ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo tarihin-dRamatoa Ben’ny tanàna ireo mpivarotra, noho ny fahafam-pony miverina indray teo amin’ny toerana efa nahazatra azy, saingy nanaiky kosa ny fandaminana niaraha-nanaiky. Fanontanian’ny maro manoloana izany ny hoe: « hahatazona ka tsy hiverina amin’ny gaboraraka nisy teo aloha ve ireo mpivarotra ? » Hita eo ny tohiny.
Stan R



