Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FIVAROTAN’OLONA : Olona roa nikasa hivarotra zaza 20 tapitrisa Ar voasambotra
Nandre tamin’ny olona tsara sitrapo ny zandary fa misy olona hivarotra zaza, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Tsy fantatra ny fomba nakana ilay zaza fa havany ihany ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Araka angom-baovao voaray, dia efa ho telo andro izy ireo no nitady mpividy, izay nitadiavany mpividy 20 tapitrisa Ariary. Natao ny fikarohana sy ny vela-pandrika maro isan-karazany. Napetraka koa ny zandary hanao sakana mivoaka amin’ny faritra. Nisy niandry teny amin’ny « Gare routière », izay tokony ho lalovan’ireo olon-dratsy. Vokany, tonga tokoa ireo olon-dratsy roa, izay lahy sy vavy, nangalatra ilay zazalahikely 9 taona, omaly. Noraisim-potsiny izy ireo satria tratra ambodiomby. Natao andrimaso ao amin’ny borigadin’i Vangaindrano izy ireo, ary ilay zazalahy kosa, nozahan’ny mpitsabo sy nomena sakafo. Zanaka mpiandry tanàna ity zazalahikely ity izay ao Dotôna, kaominina Ampasimalemy. Mbola tadiavina, araka izany, ny havan’ilay zaza haka azy. Mitohy ny fanadihadiana momba ity fivarotan’olona niseho tany Vangaindrano ity.
Zaza very hita tany amin’ny mpimasy…
Misy zaza mampiahiahy hitan’ireo mpiara-monina avy ao Analamisampy, distrikan’Toliara II, ao amina mpimasy iray, afakomaly. Ny fiaraha-miasan’ireo zandary izay notarihan’ny Komandin’ny tobim-paritra Tanandava sy ireo zandary ao Antseva nanamarina ity tranga ity. Tratra tao tokoa ilay zaza raha tafatsoaka kosa i Vaohita, izay mpimasy, monina Analamisampy. Fantatra fa zaza avy any Ambahikily ity Zazalahikely 8 taona ity. Zandary dimy lahy izay notarihin’ny Komandin’ny tobim-paritra Tanandava no nidina tany an-toerana nitondra fiara tsy mataho-dalana naka io Zaza io. Natao ny fizahan’ny mpitsabo ilay zaza, izay voamarina fa salama tsara izy. Efa voasambotra koa i Kaso, izay ahiahina amin’ity raharaha ity, izay tsy iza fa Renilahiny ihany. Mitohy ny fikarohana an’i Vaohita sy izay rehetra mifandray amin’ity raharaha ity. Efa naverina amin’ny ray aman-dreniny ao Ambahikily ilay zaza ary velom-pisaorana an’ireo zandary miasa ao amin’ny Tobim-paritry zandary ao Tanandava izy ireo.
Pierre M.




