PolitikaSongadim-baovao

FIVERENAN’NY SATROBONINAHITRY NY TATAROM-PIANDRIANANA: Santatr’ireo fandresena diplomatika ho avy

Mamerina indray ny hambompom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, ary koa, mariky ny fiandrianam-pirenena ny nahafahana indray namerina ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona teto an-tanindrazana. Nilaza ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly fa mialoha lalana ihany ity satroboninahitra ity, fa mbola betsaka ireo vakoka malagasy mbola taraiky any ivelany, ilàna fifandresen-dahatra amin’ny any ivelany.

123 taona katroka amin’ity taona ity no nialan’ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona teto an-tanindrazana. Omaly, tokony ho tamin’ny 09ora maraina no nigadona tetsy amin’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ity satroboninahitra ity. Fotoana izay natrehin’ireo Mambra ny Governemanta vitsivitsy, Governora, Ben’ny tanàna, ary ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara. Naterina avy hatrany etsy amin’ny Lapan’i Manjakamiadana ity vakom-pirenena ity. Nandritra ny lanonam-pametrahana izany teny an-toerana no nilazan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa tsy misy ny kisendrasendra amin’izao zavatra miseho rehetra eto amin’ny firenena izao. Fotoana izay nampahatsiahivany fa 110 taona katroka omaly 05 Novambra 2020 no tafiditra tao amin’ny mozean’ny tafika frantsay, tao amin’ny « Hotel des Invalides » ity satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona. Araka ny tantara, ny frantsay Georges Richard no nitondra izany tany Frantsa , ny taona 1910. Entina hilazana fa na dia efa ela aza ny niresahana sy niadiana hevitra mahakasika ireny vakoka malagasy taraiky any ivelany ireny, azo ambara kosa fa izao no fotoana voatondro hamerenana izany indray, ny finiavana politika sy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana rahateo no manamafy izany.

Mariky ny fiandrianana ny satroboninahitra

“Tsy ny akora nanaovana azy akory no maha sarobidy ity Sarotroboninahitra ity, fa ny lanjany ara-tantara sy ny mariky ny fiandrianana entiny”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany fa ny zavanisy tamin’ny 1897 dia mariky ny faharesena. Ny zava-misy ankehitriny kosa , hoy izy, dia mariky ny fananganana sy ny fanarenana an’I Madagasikara indray. Fiandrianianam-pirenena tokoa no entin’ity satroboninahitra ity, raha ny tantara no halalinina. Araka ny tantara tokoa mantsy, ity satroboninahitry ny tatarom-piandrianana ity dia nampiasaina rehefa ampita hafatra lehibe na zavadehibe amin’ny vahoaka ny Mpanjaka tamin’izany fotoana. Izany hoe, nampiasaina tamin’ny fotoana nilazan-dRanavalona III ny fitsanganana hiady tamin’ny Frantsay. Mbola niasa koa anefa izy io tamin’ny fotoana nilazan-dRanavalona hoe resy ny Malagasy, tamin’ny fotoana naha voazanaka an’I Madagasikara. Midika izany fa fiandrianam-pirenena no voaozongozona tamin’ny fotoana nialan’ity satroboninahitra ity teto an-tanindrazana.

Naharitra ny fifanankalozan-kevitra

Ataon’ny Fanjakana ho laharam-pahamehana ny fitakiana ireo vakom-pirenena izay tavela tany ampita, ary ireo nalaina noho ny faharesena tamin’ny fotoan’androny, hoy ny Minisitra tompon’andraikitra. Araka izany, tsy mijanona amin’ity satroboninahtry ny tataraom-piandrianana ity ihany fa mbola misy lisitrana zavatra maro, mbola tafiditra ao anatin’ny fitakiana izay ataon’ny Fitondram-panjakana malagasy ankehitriny. “Mialoha lalana ihany ity satroboninahitra ity”, hoy izy. Raha tsiahivina, nandefa taratasy tamin’ny Filoha Frantsay ny Filoha Malagasy,  nangataka ny famerenana ity satroboninahitra ity. Nandeha ny fifanankalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta, ary naharitra vola maro izany, hoy ny Minisitra. Maro ny asa izay natao nifandresen-dahatra tamin’ny Fanjakana Frantsay. Fotoana izay nitondran’ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana teny fisaorana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika izay nanampy tamin’ny fitakiana ity fananana iombonan’ny Malagasy ity. Asa goavana ara-politika sy ara-diplomatika ny fitakiana ireny vakoka ireny. Mbola asa goavana ny fitakiana ireo fananan’ny Malagasy hafa any ivelany, isan’izany ireo Nosy Malagasy, hoy ny Minisitra.

Ho tokanana anio ny Anatirova

06 Novambra 1995 – 06 Novambra 2020. 25 taona lasa izay no nahamay ny Rova. Anio, hotokanana ny Lapan’I Manjakamiadana sy ny Lapan’I Besakana, izay anisany levon’ny afo tamin’izany fotoana. Tsiahivina fa mpitondra maro no nilaza hanarina ity Rova ity, saingy ny Fitondram-panjakana ankehitriny kosa no naha tafarina izany. Mila omen-danja ny vakoka malagasy, izay an’ny Malagasy. Mifanindra an-dalana amin’izay koa ny famelomana indray ny tantara, ho an’ny taranaka ho avy. Tsy nihemotra tamin’izany vina izany ny Fanjakana na teo aza ireo sakantsakana ara-politika maro isankarazany natao mahakasika ity asa fanarenana ity. Nanamafy ny Minisitra Lalatiana Andritongarivo omaly, fa raha ny lafiny fotodrafitrasa eto amintsika no asianteny dia mbola maro ny sehatra mila amboarina sy hatsaraina, dia efa eo aza ireo marobe efa vita. Ezaka maro teo amin’ny lafiny Politika, Diplomatika,  Fanatanjahatena, Kolontsaina, no vita, hoy izy, hatramin’ny nijoroan’izao Fanjakana izao.

Ny Fanoratana.

Fermer