PolitikaSamihafaSongadim-baovao
FIVOAHANA AMIN’NY LALAM-PIRENENA : Hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny mpitandro filaminana
Miezaka mitondra fanazavana sy mampahanfantatra ny daholobe mahakasika ny fampiharana ireo fepetra nambaran’ny Filoham-pirenena hatrany ireo Tomponandraikitra voakasika isan-tsokajiny, isan’izany ny mpitandro filaminana izay misahana ny fiambenana amin’ireny fivoahana amin’ny lalam-pirenena ireny. Nitondra fanampim-panazavana momba izany ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra, Talen’ny Fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, omaly.
Tafiditra tao anatin’ireo Faritra efatra mbola mikatona, izany hoe, sady tsy azo idirana no tsy azo ivoahana ny Faritra Analamanga. Omaly, nitondra fanazavana mahakasika ireo sakana ara-pahasalamana misy amin’ireo lalam-pirenena mihazo ny Faritra Analamanga ny Talen’ny Fiarovana sy ny Fampahalalam-baovao eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra. Notsindriany fa misy ireo olona izay efa manaraka sy manaja ny fepetra napetraka, satria hita ho efa mihena ireo olona mifamezivezy. Misy ihany koa anefa, hoy izy, ireo izay mbola minia miditra na mivoaka ny Faritra. Misongadina manokana amin’izany ny tranga izay mivoaka sy miditra antsokosoko an’Analamanga. « Misy ireo olona miainga avy any Toliara, dia mihazo an’Antsirabe. Rehefa tonga eo Antsirabe izy ireo dia mitady ny fomba rehetra hidirana aty an’Analamanga », hoy hatrany izy. Manoloana izany, nilaza ity tomponandraikitra ity fa tsy hilefitra amin’ny endrika fandikan-dalàna tahaka izany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana.
Any Imeritsiatosika ny sakana amin’ny RN 1
Fotoana ihany koa ny omaly nampahatsiahivany ny toerana rehetra misy an’ireo sakana amin’ny lalam-pirenena. Ho an’ny Lalam-pirenena voalohany (RN1), raha tokony natao teo Fenoarivo, izay manelanelana ny Faritra Itasy sy Analamanga, dia napetraka any Imeritsiatosika ny sakana, noho ny fahafantarana fa betsaka amin’ireo olona mipetraka eo anelanelan’Ambatomirahavavy sy Imeritsiatosika no mivezivezy aty an-drenivohitra noho ny antony arak’asa. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa kosa dia eo Ambatolaona, izay manelanelana an’Alaotra Mangoro sy Analamanga no napetraka ny sakana. Ho an’ny lalam-pirenena fahatelo kosa indray dia azo ambara ho malalaka ihany satria hatrany Anjozorobe dia mbola tafiditra ao anatin’Analamanga avokoa. Any amin’ny Distrikan’Ankazobe kosa no fetra farany ho an’ny lalam-pirenena fahefatra, izay manelanelana ny Faritra Betsiboka sy Analamanga. « Ireo toerana rehetra ireo dia tsy maintsy atao vain-dohan-draharaha amin’ny fanarahamaso ny taratasy rehetra izay entin’ireo olona mamonjy an’ireny toerana ireny. Na izany aza, misy ireo olona izay afaka mifamezivezy, toy ny mpitondra entana, ireo olona tsy maintsy mamonjy toeram-pitsaboana noho ny aretina », hoy hatrany ny fanazavana.


