Songadim-baovaoSosialy
FIVOARANA IRAISAM-PIRENENA : Mirona amin’ny fianarana teny sinoa ny tanora malagasy
Iray amin’ireo fiteny betsaka mpampiasa maneran-tany ankehitriny ny teny sinoa. Na eo aza ireo efa mianatra azy eto amintsika dia mbola tsy maharaka amin’ny filàn’ny fahafehezana teny sinoa izany. Noho izany indrindra dia mbola maro hatrany ireo olona voasarika handalina io fiteny io. Tsapa ihany koa fa miroborobo ireo sekoly mpanome tolotra mifandraika amin’ny fianarana teny sinoa.
Firenen-dehibe manana ny tanjany maneran-tany i Sina. Izy ankehitriny no sokajiana ho firenena faharoa manana tanjaka ara-toekarena ambony indrindra manerana an’izao tontolo izao. Raha ny vinavinan’ny Banky Iraisam-pirenena dia mety i Sina no ho firenena voalohany matanjaka indrindra maneran-tany hatramin’ny taona 2030, hihoatra an’i Etazonia izay eo amin’io laharana io. Misy mihitsy aza moa ireo milaza fa efa i Sina no firenen-dehibe matanjaka maneran-tany ankehitriny.
Mifandray amin’ny sehatra maro ary mihatsara hatrany ny fifandraisan’i Sina sy i Madagasikara. “Mpiara-miombona antoka voalohana amin’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fifandraisana ara-toekarena i Sina”, hoy ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, Augustin Andriamananoro, nandritra ny fankalazana ny taombaovao sinoa tamin’ny volana febroary lasa teo. Misandrahaka amin’ny endrika marolafy, araka izany, izay fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izay. Misongadina amin’izany ny fifanarahana mahakasika ny fametrahana ivontoerana mpamokatra herinaratra any Ranomafana, ny momba ny fikarakarana mialoha ireo ondry ahondrana any Sina sy ny lafiny fambolena, ary ny fanenana hatramin’ny 98% ny hetra amin’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any Sina. Eo amin’ny lafiny ara-diplomasia sy politika kosa indray, nosokajiana ho “invité d’honneur” nandritra ny hetsika lehibe “exposition économique et commerciale Chine-Afrique» andiany fahatelo farany teo i Madagasikara. Efa nanatanteraka fitsidihana teto amintsika ihany koa ny tompon’andraikitra ambony any Sina. Ary tamin’ny fihanianan’ny Filohampirenena farany teo dia nanome voninahitra izany ny iraka manokan’ny Filohampirenena sinoa Xi Jinping.
Fironana maneran-tany ny fahaizana teny sinoa
Tsy eo amin’ny lafiny ara-diplomasia sy ara-toekarena ihany anefa no ahitana taratra ny tanjak’i Sina. Azo itarafana izany ihany koa ny fihanaky ny kolontsaina sy fiteny sinoa manerana an’izao tontolo izao. Raha ny fanadihadiana natao, ny fiteny sinoa “mandarin” no fiteny mahaliana olona indrindra ny mianatra azy sy betsaka mpampiasa maneran-tany amin’izao fotoana, ary tsy ho ela dia hosokajiana ho fiteny voalohany hifanakalozana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izy. Tsy diso anjara amin’izany anefa isika eto Madagasikara satria olona maro no liana amin’ny fandalinana io teny sinoa io, indrindra ny tanora. Tombony lehibe izany, hoy hatrany ny Minisitra teo aloha, satria ny tanora no tena maro an’isa eto Madagasikara. Araka izany, manodidina ny 7 000 eo ireo tanora malagasy misafidy ny handalina ny teny sinoa eny amin’ireo “Institut Conficius” 5 misy eto Madagasikara. Na eo aza io antontanisa io dia tsapa ihany anefa, ankilan’izay, fa mbola maro ireo tanora tsy mahafehy io fitenim-pirenena iray io, misafidy kokoa ny hanamafy ny fahaizana ireo fitenim-pirenena nahazatra hatramin’izay toy ny frantsay sy anglisy.
Izany indrindra no nahatonga an’i Tantely voasarika hianatra teny sinoa. Raha ny fanazavan’io tovovavy iray io dia sokajian’ny tanora toa azy ho fiteny sarotra ianarana ny “mandarin” kanefa azo atao tsara ny mivoatra amin’izany rehefa tena tiana ho fehezina io tenim-pirenena iray io. Araka ny fanehoan-kevitr’i Tantely hatrany dia efa maro ireo teratany sinoa miasa sy monina eto Madagasikara kanefa mbola vitsy ireo olona mahafehy ny tenin’izy ireo eto amintsika. Noho ny fahatsapana izay tsy fahampiana izay no nanosika azy hianatra ka tanjony ny ho lasa mpandika teny rehefa aoriana kely ao, hifanerasera mivantana amin’ireo teratany sinoa.
Mitovy amin’izany hatrany ihany koa ny fanehoan-kevitr’i Marina, mpianatra teny “mandarin” ao amin’ny ILCM Anosibe. Nambarany fa miheli-patrana manerana an’izao tontolo izao, hatreto Madagasikara, ny teratany sinoa. Tsy dia afaka mifandray loatra amin’ireo olona manodidina anefa izy ireny satria mbola vitsy ireo mahafehy izany. Noho izany dia nisafidy ny handalina ny teny sinoa “mandarin” ihany koa i Marina ka mikasa ny ho lasa mpitaridia rehefa hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Mbola nambaran’ity tovovavy ity hatrany fa “sarotsarotra ny fianarana teny sinoa, indrindra ny any amin’ny fanoratana, saingy rehefa tiana dia milofo mianatra azy”.
ILCM ANOSIBE
Mitombo isa hatrany ireo mpianatra mandalina ny “mandarin”

Ivontoeram-panofanana teny sinoa “mandarin” nitsangana vao herintaona izao ny ILCM (Institut de Langue Chinoise Mandarin) eny Anosibe. Tsy arakaraky ny maha zandriny azy fa efa maro ankehitriny ireo olona mandalina ny “mandarin” misafidy io ivontoerana io. Azo itarafana izany ny fitombon’ny isan’ireo mpianatra, hoy ny fanazavana nentin’i Mme Mickaella izay mpampianatra sy tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny ILCM, satria raha mbola vitsy ireo mpiofana tany aloha dia efa maherin’ny 50 izy ireo ankehitriny.
Antony maro no heverina ho mahatonga ny tanora hirona amin’ny fianarana teny sinoa. Voalohany amin’izany ny hoe kolontsaina malaza ankehitriny ny fahaizana teny sinoa. Aoriana kely ao dia ho isan’ireo teny hifanakalozana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy. Noho izany dia azo heverina ho isan’ireo fepetra takiana amin’ireo olona hianatra na hiasa any ivelany sy eto an-toerana ny fahafehezana ny teny sinoa. Maro, araka izany, ireo tonga saina amin’io fivoarana misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io ka misafidy ny handalina dieny izao ny teny sinoa. Ankoatra ireo, antony hafa mahatonga ny olona hianatra teny sinoa ihany koa ny fandehanan’izy ireo hiasa na hianatra any Sina, na hifanerasera amin’ny Sinoa eto an-toerana. Tsara ny manamarika fa aorian’ny fianarana dia afaka miatrika ny fanadinana iraisam-pirenena HSK ireo mpianatra teny sinoa. Misy ny naoty azo aorian’izay ka iny naoty iny dia ampiasaina rehefa hisitraka vatsim-pianarana any Sina na hiasa amina teratany sinoa. Aorian’ny fianarana ihany koa dia asa safidian’ny ankamaroan’ireo mpianatra teny sinoa ny hanao mpandika teny na hitaridia.
Misy dingana telo moa ny fianarana teny sinoa “mandarin” ao amin’ny ILCM Anosibe ka vitaina ao anatin’ny enim-bolana izany. Mahafehy ny fototr’io tenim-pirenena iray io sy mahavita miresaka amin’ny teny sinoa momba ny fiainana andavanandro ireo mpianatra aorian’izay enim-bolana izay, hoy hatrany Mme Mickaella. Ho an’ireo maniry ny hiditra amin’ny sehatry ny asa kosa dia misy ny fanamafisam-pahaizana enim-bolana fanampiny. Mampiavaka ny ILCM ny hoe ambany kokoa ny saram-pianarana mitaha amin’ireo ivontoerana hafa kanefa matihanina avokoa na ny kalitao na ny mpampianatra. Manatombo ihany koa izy ireo amin’ny alavan’ny ora fianarana. Mba hahatonga ireo mpianatra hahafehy tsara io fitenim-pirenena iray io dia tsapa fa efa mivoatra ny fomba fampitana fahalalana amin’ireo mpianatra. Misy ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny fijerena horonantsary sy fihainoana. Atao matetika ihany koa ny fampiharana. Ary tsy latsa-danja amin’ireo ny fifanakalozana mivantana iarahana amin’ireo matihanina any Sina. Marihina fa amin’ny 13 mey ho avy izao ny fidirana manaraka ao amin’ny ILCM.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



