PolitikaSongadim-baovao

FIVORIAMBE FAHA-80 NY FIRENENA MIKAMBANA : Nanao antso avo ny Filoha Rajoelina, mba hiarovana ny AGOA

Nandray anjara fitenenana nandritra ny Fivoriambe faha 80 ny Firenena mikambana, ao New York, ny Filoha Andry Rajoelina, omaly. Kabary mavesa-danja sy mikendry ny hanamarika ny sainan’izao tontolo izao, ny lahateniny, manoloana ny Firenena Mikambana. Tsy ny mahakasika an’i Madagasikara ihany no noventesiny fa ny mahakasika an’i Afrika manontolo, sy ireo firenena ao amin’ny vondrona SADC ihany koa. Nitondra hafatra maneho ny maha-Panafrikanista azy izy, araka izany. Noresahany ny mahakasika ny lohahevitr’ity Fivoriambe faha 80 ny Firenena Mikambana ity. Lohahevitra izay miantso ho an’ny fandriam-pahalemana sy fampitsaharana ireo ady. Eo ireo ady mitondra fahafatesana sy korontana, ireo ady mandripaka, ny ady amin’ny valanaretina. Nasongadiny manokana ny “ady mangina”, izay mampahantra sy manimba fiainan’ny olona aman’hetsiny maro, dia ny “ady ara-toekarena”. Nasiany Filoha Andry Rajoelina tsindrim-peo koa, ny mahakasika ny AGOA. Nanao antso avo teo anatrehan’ny Firenena Mikambana izy, mba hiarovana ny AGOA.

368.000 ireo asa tandindomin-doza…

Manakaiky ny 368 000 ireo asa mivantana no tandindomin-doza any Afrika raha mijanona ny AGOA. Ao amin’ny Faritra SADC dia firenena 14 amin’ireo 16 mpikambana no mahazo tombontsoa amin’ny AGOA. Mihoatra ny 11 miliara dolara isan-taona ireo entana aondrana any Etazonia, amin’ny alalan’ity rafitra ity. Misy fiantraikany lehibe amin’i Madagasikara sy ny faritra atsimon’i Afrika, ny mety ho fijanonan’ny AGOA, satria mampivelona fianakaviana anarivony maro. Amin’ny maha filohan’i Madagasikara sy ny SADC azy, dia hiaro ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy sy i Afrika tapany Atsimo izy, manoloana ny Firenena Mikambana. Niompanan’ny kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina koa ny momba  ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena. Nanaovany antso avo amin’ny fifanohanana bebe kokoa, sy ny famatsiam-bola betsaka kokoa ny ady amin’ny fahantrana, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ahatraran’ny firenena tsirairay, ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Fiovam-penitra amin’ny angovo maitso

Nasongadiny koa ny fanohanana ny varotra sy fifanakalozana, indrindra eto amin’ny Ranomasimbe Indiana. I Madagasikara, izay mitantana ny Sekretera jeneralin’ny COI. Nahitsy ny Filoha momba  ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. I Madagasikara izay isan’ny mizaka ny voka-dratsin’izany, nefa isan’ireo firenena, izay tsy mandoto tontolo iainana indrindra. Nasian’ny Filoha tsindrim-peo, araka izany, ny fandraisana andraikitra sy famadihana ho asa ireo kabary samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ohatra amin’ny resaka fanomezana ireo famatsiam-bola mahakasika ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. I Madagasikara dia te ho modely amin’ny fiovam-penitra mankany amin’ny angovo maitso. Te hanaporofo fa ny firenena marefo dia afaka miova, mivoatra sy mandroso ary mandray anjara amin’ny fanatsarana ny tontolo iombonana maneran-tany.  Notsiahiviny ny fifandraisana akaiky misy amin’i Madagasikara sy ny Firenena Mikambana nanomboka hatramin’ny fahaleovantena. Vonona i Madagasikara hanome toerana sy birao ho an’ny fikambanana onusiana maro kokoa. Tsy nohadinoin’ny Filoha ny niantso firaisan-kina, tamin’ny fiafaran’ny kabariny.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer