PolitikaSongadim-baovao
FIVORIANA ARA-POTOANA VOALOHANY: Hivory manomboka anio indray ireo Loholona sy Depiote
Araka ny voafaritra ao amin’ny Andininy faha-75 sy ny Andininy faha-84 ao amin’ny Lalam-panorenana dia ny Talata voalohany amin’ny volana Mey no misokatra ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Hitodika eny Tsimbazaza sy Anosikely indray, noho izany, ny mason’ny mpanara-baovao manomboka anio.
Ny Andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia Ferana ho enimpolo andro. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany. Ho fanatanterahana izany indrindra dia hatao anio maraina ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena.
Etsy ankilany, araka ny andininy faha- 84 ao amin’ny Lalàmpanorenana koa dia mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierandoholona. Enimpolo
andro no faharetan’ny fotoam-pivoriana.
Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny
talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana
indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Hanomboka anio koa, noho izany, ny fivoriana ara-potoan’ny loholona
Azo antoka fa hafana ity fivoriana ara-potoana voalohany ity manoloana ireo raharaha mafana sy mahabe resaka maro misy eto amin’ny firenena, raha tsy hiresaka afatsy ny raharaha Base Toliara, ny raharaha Kolonely Rakotomamonjy Patrick, sy ny sisa. Fa heverina fa mbola hisy akony mandritra izao fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta izao koa ny nandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina sy ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron.
Mbola fanontaniana mipetraka, tsy ahazoam-baliny aloha hatreto raha hisy indray ny fifanatrehana eo amin’ireo parlemantera sy ny Governemanta na tsia, indrindra eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Eo koa ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024 izay mbola tsy fantatra hatreto na hisy na tsia.



