PolitikaSongadim-baovao
FIVORIANA FAHAROA ANY PARIS ANIO: Dingana vaovao amin’ny fifampidinihana momba ireo Nosy malagasy
Fantatra ny faran’ny herinandro teo ireo mandrafitra ny Delegasiona malagasy handray anjara amin’ny fivoriana faharoa an’ny Vaomiera iraisana frantsay-malagasy mikasika ny Nosy Ampela, Nosy Kely, Nosy Sambatra ary Nosy Bedimaky, anio 30 Jona 2025 any Paris.
Handray anjara amin’ny fivoriana faharoa an’ny Vaomiera iraisana frantsay-malagasy mikasika ny Nosy Ampela, Nosy Kely, Nosy Sambatra ary Nosy Bedimaky ny Repoblikan’i Madagasikara, anio 30 Jona 2025 any Paris. Mampiseho ny fitohizan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika frantsay ity fivoriana ity, mifototra amin’ny fifanajàna, ny fihainoana ary ny fikatsahana vahaolana iarahan’ny roa tonta mandinika, araka ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny, no mitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana, izay ahitana ihany koa an’Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Rtoa Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, Loholon’i Madagasikara ao amin’ny Antenimieran-doholona, ny Dr Tehindrazanarivelo Djacoba Oliva, Masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana any Genève, Atoa Andriamaholy Dina, Sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika lefitra, Rtoa Rabemananjara Harifera Elisa, Tale jeneralin’ny Fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Rtoa Ranarijaona Hery Lisy Tiana, Tale jeneralin’ny Fikarohana siantifika eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika, ary ny Vice-Amiral Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Mpanolo-tsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy.
Manamarika dingana vaovao eo amin’ny fifampidinihana eo amin’ny roa tonta ity fivoriana faharoa an’ny Vaomiera iraisana ity, araka ny fanazavana.
Andraikitra lehibe
Taorian’ny nitsangan’ny delegasiona malagasy moa dia naneho hevitra tao amin’ny Tambazotran-tserasera ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, izay tafiditra tao anatin’izany. Hoy indrindra izy : « Tsapako tsara ny halehiben’ny andraikitra miandry dia ny hiady ho an’ny tombontsoan’ny Tanindrazana, misaotra eram-po eran-tsaina an’Atoa Filoha Andry Rajoelina aho nametraka fitokisana tamiko ary tsy handraraka ilo mby an-doha. Matoky tanteraka ireo mpikambana ao anatin’ny delegasiona Malagasy, izay tarihin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny koa aho satria tena olona manam-pahaizana be sady tia tanindrazana avokoa izy ireo… Tsiahiviko fa lohahevitry ny fikarohana ao anatin’ny fanomanana ny « thèse de doctorat » izay nataoko ny resaka « Iles éparses » ary ny « Directeur de thèse »-ko dia efa nanao « lettre de recommandation » ho ahy mikasika izany tamin’ny Jolay 2022 ».
Fahasahiana !
Tsiahivina fa isan’ny teboka lehibe noresahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ity farany teto amintsika ny resaka famerenana ireo Nosy manodidina na ny “Iles éparses”. Nambaran’ny Filoha Rajoelina tamin’izany fa ho atao ny 30 Jona ho avy izao, izany hoe anio, any Paris, ny fivoriana faharoa an’ny Vaomiera manokana iraisana. Mandiso ny fiheveran’ireo mpanohitra, araka izany, ity fanambarana ity. Satria voaresaka tokoa nandritra ny fihaonan’ireo Filoha mirahalahy ny mahakasika ny Nosy manodidina na ny « iles eparses ». Ary dia misy fivoarana mivaingana ny fifampiresahana mahakasika izany. Raha tsiahivina, ny Filoha Rajoelina Andry no sahy nanaitra indray tamin’ny fomba ofisialy ity fitakiana ny famerenana ny Nosy manodidina ity, nandritra ny fivahinianana ofisialy, izay nataony tany Frantsa ny volana Mey 2019. Nisy, araka izay, ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Macron sy ny Filoha Rajoelina nandritra ity fivahiniana ofisialy ny volana Mey 2019 ity. Nandritra izany no niresahany ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy manodidina. Nifanarahan’ireo Filoha roa lahy fa ifampidinihana anatina Vaomiera iraisan’ny Frantsay sy Malagasy ny hanaovana izany.
Nisy, araka izany, ny fivoriana voalohan’ity Vaomiera manokana iraisana ity na “Commission mixte” ity teto Antananarivo, tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny 18 novambra 2019. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no nitarika ny delegasiona malagasy. Petra-kevitra napetrak’i Madagasikara nandritra ity fivoriana voalohany ity ny tokony haneken’i Frantsa ny fiandrianan’ i Madagasikara, amin’ireo Nosy manodidina ireo, mialohan’ny zava-drehetra. Taorian’io moa, dia tsy tontosa ny fivoriana faharoa an’izany Vaomiera manokana iraisana izany, noho ny antony maro. Isan’izany ny krizy ara-pahasalamana noho ny « Covid 19 », ireo fifidianana teto Madagasikara sy tany Frantsa, na koa ny fiovana governemanta tao amin’ireo firenena roa tonta.




