PolitikaSongadim-baovao
FIVORIANA TSY ARA-POTOANA : Andrasana ny fankatoavan’ny Parlemantera ny fampiasana ireo famatsiam-bola azo
Anio talata 03 jolay 2021 no hanomboka ny fivoriana tsy ara-potoana niantsoana ireo Parlemanta roa tonta, izay haharitra 12 andro, ka handanian’izy ireo na hitsipahany ireo Lalàna fankatoavana miisa dimy. Lalàna fankatoavana mikasika findramam-bola amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky Arabo, izany, raha ny fantatra, hamatsiana ireo tetikasa atao eto amin’ny firenena.
Hanomboka anio amin’ny 11 ora maraina ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Antenimierampirenena, raha ny tolakandro amin’ny 03 ora kosa no hanomboka ny an’ny Antenimierandoholona. Ho an’ny Antenimierampirenena manokana, dia hatao manontolo amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra (viséo-conférence), araka ny tapaky ny fivorian’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, raha ny nambaran’ny Kestiora voalohany ity Andrimpanjakana ity, Henri Jean Michel. Antony hoy izy, dia eo ny fahamehana ara-pahasalamana mbola mipetraka ankehitriny eto amin’ny firenena, ary mbola misy ireo toerana tsy azon’ny rehetra hamoriana olona maro. « Ankoatra izay, dia hita fa mavitrika kokoa ireo Solombavambahoaka miatrika fivoriana, raha oharina amin’ny fifanatrehana imaso tany aloha, izay hita tamin’ny alalan’ny fanatanterahana izany tamin’ny fivoriana ara-potoana teo aloha. Azo antenaina araka izany, fa ho maro an’isa ireo Depiote hanatrika io fivorian-dehibe mandritra ny 12 andro io, hanatanterahany ny adidiny maha Solombavambahoaka azy », nanampy fanazavana ny Kestiora voalohany, Henri Jean Michel. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity hatrany, fa Lalàna tsy dia ilaina fifanatrehana imaso ireo lalàna holaniana, ka antony nanapahana izao fivoriana ampitain-davitra izao, satria na laniana na tsipahina fa tsy mila fandinihana intsony.
Famatsiam-bola azon’i Madagasikara
Raha tsiahivina, taorian’ny lanonana lehibe notontosaina ny alarobia 21 Jolay 2021 teo, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay nanaovana sonia fifanaraham-piarahamiasa miisa efatra mitentina 490 tapitrisa dolara teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena dia nisy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana na « session extraordinaire » an’ireo parlemantera. « Izany no hatao dia ahafahana manome fankatoavana ara-dalàna io fifanaraham-piarahamiasa vao nosoniavina io sy ny fampiasana izany famatsiam-bola izany na « ratification de la convention » », hoy ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa ao anatin’io famatsiam-bola azon’i Madagasikara io dia misy 100 tapitrisa dolara hatokana hanamafisana ny tetikasa fividianana vaksiny hiarovana amin’ny Covid-19 sy hanamafisana ny sehatra ara-pahasalamana. Misy ihany koa 150 tapitrisa izay hatokana ho an’ireo tetikasa ara-toekarena « projet de transformation économique pour la croissance inclusive (PIC3) » ahafahana manarina io sehatra io taorian’ny krizy ara-pahasalamana. Ankoatra ireo, hisy 200 tapitrisa dolara hatokana ho an’ny tetikasa maharitra mikasika ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara ka làlana mitotaly 1200km no ho voakasik’izany. Ary farany, 40 tapitrisa dolara, hatokana amin’ny tetikasa mikasika ny fambolena. Manoloana ny hamehana amin’ny resaka fanamboaran-dalana eto amintsika, tena ilaina ny fankatoavana ny fampiasana ireo famatsiam-bola ireo satria maro ireo lalana ilàna fanamboaran-dalana maika ankehitriny, hoy ny fanazavana. Noho izany indrindra no anisany tsy maintsy nampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera, araka ny fanazavana hatrany. Araka ny fantatra dia ezahina horaisina mandritra ity fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemantera ity ihany koa ny fanapahan-kevitra mikasika ny « Fonds souverain ».




