PolitikaSongadim-baovao
FIVORIANA TSY ARA-POTOANA: Hodinihina ny lalàna mahakasika ny Antenimierandoholona
Araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy 20 aogositra 2020, mivory tsy ara-potoana ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena manomboka ny alarobia 26 aogositra 2020. Fivoriana izay tsy mihoatra ny 12 andro. Nanomboka omaly, noho izany, ny fivoriana teo amin’ny Antenimiera roa tonta. Imasoana mandritra ny fihaonana ny fananganana ny “Vaomiera ikambanana isasahana”, na “Comission mixte paritaire”, entina handaniana ny volavolan-dalàna laharana 001/2020…
Araka ny voalazan’ny andininy faha-96 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy, azon’ny Praiminisitra hatao ny mampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny antenimiera roa tonta, raha toa ka misy tsy fitovian-kevitra teo amin’izy ireo, mahakasika fandaniana volavolan-dalàna na tolo-dalàna iray. Eo anatrehan’izany, isany anton’izao fiantsoana fivoriana izao ny tsy maintsy handaniana ny volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020, noho ny “Hamehana”.
Nilaza ny Filohan’ny Antenimierampirenena, “fa tena laharam-pahamehana ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity satria efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Loholon’i Madagasikara ankehitriny”.
Tsara tsiahivina tokoa mantsy, fa ahitana didy hitsivolana telo ity volavolan-dalàna ity. Isan’izany ny momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny ankapobeny, ny lalàna fehizoro mahakasika ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Antenimierandoholona, ny fifidianana sy fanendrena ireo Loholon’i Madagasikara ary farany ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Azo faranana mialoha ny 12 andro
Araka izany, hisy ny fananganana vaomiera ahitana Solombavambahoaka sy ny Loholona mitovy isa, handinika sy hifandresy lahatra momba ity volavolan-dalàna ity. Ho an’ny Antenimierampirenena manokana, rahampitso amin’ny 10 ora no hivory ny birao maharitra, amin’ny 11ora kosa, no hisy ny fihaonana eo amin’ireo filoham-baomiera. Ary hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro kosa, ny fivorian’ny besinimaro, handraisana ny fanapahan-kevitra mahakasika ireo lahadinika. Nanazava ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa azo atao ny mamarana ny fivoriana tsy ara-potoana, raha toa ka mahita marimaritra iraisana mialoha ny hahataperan’ilay 12 andro ny roa tonta. Ho an’ny Antenimierandoholona manokana, efa manana ny fandaharam-potoanany koa ireo Loholona. Ny Filohan’ity andrim-panjakana ity izay maintso hatrany ny tokony hisian’ny adihevitra eto amin’ny Firenena, indrindra eo amin’ny samy parlemantera.




