Songadim-baovao

FIVORIAN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY TAFIKA Hamafisina ny ezaka hahamatihanina ny fampandriana fahalemana

Nanatanteraka fivoriana ireo manamboninahitra tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Tafika malagasy, omaly. Fivoriana nijerena ireo tomban’ezaka sy fanomezana ireo torolalana omena ny Tafika malagasy avy amin’ny Jeneraly Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Torolalana ahitana fandrindrana ny rohim-pibaikoana eo amin’ny hetsika ara-miaramila, sy rohim-pibaikoana arakasa hita marisarisa teo anoloan’ny manoloana ny fanavaozan-drafitry ny Tafika malagasy. Eo amin’ny maha olona dia nomena ny baiko eo amin’ny fanofanana omena ny maha olona, hananan’ny tsirairay ny maha matihanina, fa indrindra eo amin’ny fitaovana enti-manatanteraka ny hetsika eny an-kianja. Ny fampitaovana indray dia nambaran’ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, fa « miainga eo amin’izay fitaovana ananany eo am-pelatanany ny Tafika malagasy, ny kely misy dia hahafahanay manao ny hetsika fampandriana fahalemana eny amin’ireo  Fari-piarovana sy filaminana (ZDS) rehetra misy ». Ho an’ny hetsika fampandriana fahalemana eto an-dRenivohitra indray, nambaran’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, fa miara-miasa amin’ireo vondron-kery hafa hatrany izy ireo, ary antenaina hisy vokany haingana izany, raha ny baiko niainga avy tamin’ny Praiminisitra sy ny Minisitra tompon’andraikitra.

Napetraka ny Fari-piarovana sy filaminana eny Ikopa

Mitohy hatrany ny fametrahana hita maso sy ara-kevitra ahitam-pahombiazana ny fanovan-drafitry ny Tafika malagasy. Herinandro vitsivitsy lasa izay no nitetezan’ny tompon’andraikitry ny Fiarovam-pirenena sy ireo lehibena Etamazaoron’ny Tafika, miampy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ireo faritra nametrahana izany ZDS izany, na ny « Fari-piarovana sy filaminana », izay efa ahitana 10 amin’izao fotoana. Napetraka omaly ny ZDS Ikopa, ary izany no misolo ny Faritany miaramila teo aloha, raha tsiahivina. Nazavaina nandritra ireo fitetezam-paritra natao ihany koa ny vontoatin’izany fanovan-drafitra izany, na tamin’ireo miaramila misehatra ifotony izany na tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manana andraikitra hifanome tanana amin’ireo mpitandro filaminana, amin’izay fametrahana fandriam-pahalemana katsahin’ny Fitondram-panjakana eto amin’ny firenena izay, hisian’ny fampandrosoana marina. Fantatra ihany koa, fa anatin’ireny faritra vaovao ireny no nametrahana ireo « Délégués Militaires Régionaux », izay natao hiara-hiasa indrindra amin’ireo tompon’andraiki-panjakana anatina faritra iray, toy ny Governora, Prefe sy ny sisa. Nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Jean Richard, fa eo Ikopa no nametrahana io ZDS io, noho eto Antananarivo foiben’ny fandraisana fanapahan-kevitra farany, noho izy misy ny toeran’ny Etamazaoron’ny Tafika sy ireo Etamazaoro miisa telo ihany koa, amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara ny eto. Araka izany, natao lehibe makadiry io ZDS eny Ikopa io. Namafisin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Jean Richard, fa « mila miray hina ny Malagasy rehetra mifampijery sy miaina anaty filantoana, ary mila ezaka fampanjakana fahalemana eto, izay adidin’ny rehetra tsy an-kanavaka ». Efa misy kosa ny fanapahan-kevitra hentitra raisina amin’ireo faritra sasany tena anjakan’ny asan-jiolahy amin’izao fotoana, raha ny nambarany. Andrasana tsy ho ela ny vokatra azo avy amin’izany, hoy ny Minisitra.

 

Fermer