Fanadihadiana ManokanaToekarena
FIZAHANTANY, FANDRAHARAHANA, FANONDRANANA 2024: Nahitam-bokatra tsara ny ezaka sy paikady nampiharina
Anisan’ireo sehatra mampiaina ny toekarena sy mampidi-bola eto amin’ny firenena ny lafiny fizahantany, ny fandraharahana ary ny fanondranana mankany ivelany. Nofaritana ireo paikady hahafahana mampiroborobo hatrany ireo sehatra ireo. Raha fehezina, nahitam-bokatra tsara izany tamin’ity taona 2024 ity.
Miantoka ny 10%-n’ny volana miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahantany. Iray amin’ireo sehatra mampivelona sy mpampiodina ny toekarena eto amin’ny firenena izy, araka izany. Ankoatra ny fidiran’ireo mpizahantany avy any ivelany sy ny tombony azo amin’ny fivezivezen’ireo mpizahatany ato anatiny dia miteraka famoronan’asa maro ihany koa ny sehatry ny fizahantany. Misintony ny fampiasam-bola avy any ivelany sy avy eto anatiny izy amin’ny alalan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa. Mifanindran-dalana amin’ireo ny fanomezany lanja ny harena voajanahary sy kolontsain’ny nosintsika.
Tanjona nofaritana ho tratrarina hatramin’ny taona 2028 ny hisintonana mpizahatany vahiny hatramin’ny 1 tapitrisa. Manoloana izany dia nofaritana anaty teboka 3 lehibe ireo paikady natao hampiharina mba ho fampivoarana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Voalohany ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fampiasana sy famatsiam-bola eo amin’ny lafiny fizahantany. Paikady faharoa ny fampirobroboana ny fizahantany anatiny sy iraisam-pirenena amin’ny alalan’ireo hetsaka maro hotanterahina. Paikady fahatelo farany ny fanamafisana ny fiofanana sy fanatsarana ny sehatry ny fizahantany amin’ny ankapobeny.
Mandeha miandalana ny fanatrarana izany tanjona izany ka nandritra izay 11 volana tato anatin’ity taona 2024 ity izay dia tafakatra 232 688 ny isan’ireo mpizahatany avt any ivelany tonga teto Madagasikara. Ho an’ny volana novambra farany teo manokana, antontanisa nisongadina ny hoe niisa 26 158 ny isan’ireo mpizahatany vahiny noraisintsika. Nahitana fiakarany io raha oharina amin’ny zava. Voalohany, araka izany, no nahitana io antontanisa nihoatra ny tamin’ny 2019 io tato anatin’ny 5 taona. Ny taona 2019 izay raisina ho taona fitaratra amin’ny antontanisan’ny fizahantany eto amintsika satria tamin’io no nampiditra mpizahatany betsaka indrindra ny nosintsika.
Fandraharahana: orinasa miisa 444 nitsangana teo anelanelan’ny volana jolay sy septambra 2024
Mandray anjara amin’ny fampiodinana ny toerakana eto amintsika ihany koa ny fisian’ireo orinasa. Azo lazaina ho niroborobo ny sehatry ny fandraharahana teto amintsika tamin’ity taona ity. Azo hitarafana izany ny antontanisa navoakan’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) tamin’ny volana oktobra 2024. Io no antontanisa nivoaka farany ka andrasana ny fintin’ny antontanisa ho an’ny taona 2024 iray manontolo. Fantatra, araka izany, fa nandritra ny 3 volana fahatelo tato anatin’ny taona 2024, izany hoe nandritra ny volana jolay, aogositra sy septambra, dia nahatratra 444 ny isan’ireo orinasa vaovao nitsangana teto amintsika, nandrakitra ny maha ara-dalàna azy teny anivon’ny EDBM. Ny 67% amin’izy ireo dia teratany malagasy avokoa ny ankabeazan’ny mpampiasa vola ao aminy. Ny any amin’ireo orinasa ahitana mpampiasa vola avy any ivelany betsabetsaka kokoa dia mitana ny lohalaharana ao anatin’izany ry zareo teratany sinoa, manaraka ny frantsay, avy eo ny indianina, maorisianina ary ry zareo avy any Pakistan. Miainga amin’ny fanasokajiana ireo orinasa kosa, hita any amin’ny sehatrasa fahatelo ny 82,6%-n’ireo orinasa vaovao. Izany hoe miroborobo ny fandraharahana any amin’ny fanomezana tolotra toy ny any amin’ny varotra, trano sy informatika. Tsy misy afa-tsy 14,9% sy 2,5% kosa ny tahan’ny fandraketana orinasa any amin’ny sehatrasa faharoa (indostria sy fanodinana) sy voalohany (fambolena sy fiompiana), izay midika fa mbola mila mampivoatra ny lafiny indrostria sy fampanarahan-dalàna ny sehatrasa voalohany isika.
Nihatsara io antontanisan’ny fananganana orinasa teto amintsika. Antony manazava izany ny fampiharana ny paikady fanamorana napetraka eo anivon’ny EDBM. Raha toa ka hanao ny fandraketana ny orinasany mantsy ny mpandraharaha iray dia efa vita ao anatin’ny 2 andro latsaka izany amin’izao fotoana, mitaha amin’ireo 4 andro tsy maintsy nolaniana sy nivezivezena teo aloha. Namaha olana ihany koa ny fametrahana ny “guichet unique” sy ny rindrambaiko ORINASA izay manamora ny dingana arahina amin’ny fananganana orinasa, mampihena ny fotoana lany amin’ny fivezivezena.
Voly fanondrana: lavanila 4 400T namatsiana ny tsena iraisam-pirenena
Tafakatra 4 400T ny lavanila naondran’i Madagasikara tany ivelany nandritra ny taom-piotazana 2023-2024 raha ny tatitry ny avy amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra tamin’ny volana septambra lasa teo. Nahitana fiakarany io antontanisa io satria 2 000T hatramin’ny 2 500T ny fitambaran’ny fanondanana teo alohan’izay. Raha ny fanazavana, nitondra fanatsarana ny Fitondram-panjakana ka niezaka nampisokatra ny tsena malagasy teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy nisy ihany koa ny famerana ny vidin’ny lavanila ka izay no manazava io fiakaran’ny fanondranana io. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Varotra fa malalaka ny mpandraharahana amin’ny famerana ny vidin’ny lavanila sy ny fitadiavana ny tsena any ivelany ka nahazoana nampitombo ny fahafaha-manondrana izany. Ankoatra izay dia nalefa tamin’ity taona ity ihany koa ny tahiry lavanila tamin’ny taon-dasa izay tsy mbola namidy ka nampitombo ny fanondranana lavanila. Ireo mpandraharaha nankatoavin’ny Ministera, rehefa nahafeno ny fepetra takiana, dia nanararaotra io fisokafan’ny tsena io. Io fanalalahana io dia nanamarika ny fiafaran’ny famerana ny vidin’ny lavanila aondrana teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023 ka nanome fahalalahana ara-barotra lehibe kokoa ho an’ireo mpiantsehatra amin’ny lavanila, hoy hatrany ny nambaran’ny tale jeneraly.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




