Songadim-baovaoToekarena

FIZAHANTANY- ITM 2025: Mpampiranty hatramin’ny 500 no handrasana, hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra

Nahitam-bokatra tsara hatrany ny fanatanterahana ireo hetsika ara-pizahantany lehibe ho fampahafantarana an’i Madagasikara. Zava-dehibe ny fanohizana izany ka hotanterahana ny 12 hatramin’ny 15 jona 2025 indray ny andiany faha-11 amin’ny ITM (International Tourism Fair Madagascar) sy ny andiany faharoa amin’ny IHM (International Handcraft Fair Madagascar) eny amin’ny CCI Ivato. Mikarakara ity hetsika ity moa ny ONTM (Office National du Tourisme de Madagascar), eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, miaraka amin’ny tantsoroky ny tetikasa PIC sy ny Governemanta malagasy. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho toeram-pizahantany lohalaharana amin’ny safidin’ireo mpitsidika aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Nampifandraisina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany maharitra, araka izany, ny lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity manao hoe: “Vers un tourisme plus durable”. Havoitra mandritra izany ny fanolorantenan’ny Nosintsika mirona mankany amin’ny fanajana hatrany ny tontolo iainana, manome lanja ireo fahaiza-manao eto an-toerana.

Araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny ONTM, Danny Barivelo, hiavaka sy hitondrana zava-baovao hatrany ny fanatanterahana ny ITM sy IHM. Amin’ity taona ity dia manakaiky ny 500 ireo tranoheva fampirantiana ary voalohany nandritra izay andiany 11 rehetra izay no tonga marobe toy izany ireo mpampiranty, hoy ny fanazavana. Handray anjara amin’izany avokoa ireo avy amin’ny Faritra 23 manerana ny Nosy. Tombony amin’ny fandraisana anjara amin’ny ITM sy ny IHM ny fampahafantarana ireo vokatra, tolotra sy toeram-pitsidihana misy isam-paritra. Hisy akony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa anefa ny fanatanterahana io hetsika io. Hanana solotena ao ireo firenena maro. Firenena nasaina manokana kosa i Maroc sy ny Emirats Arabo Mitambatra. Manazava ny anton’ireo safidy ireo ny fiaraha-miasa mipetraka efa ela eo amin’i Madagasikara sy Maroc, hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Viviane Dewa, sy ny hanamafisana hatrany ny fiarahana miombona antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra ireo, hisy ny fanamafisana fahaiza-manao ka hahazo fiofanana avokoa ireo ofisim-paritry ny fizahantany manerana ny Nosy. Maherin’ny 30 ireo valan-dresaka sy fifanakalozana iarahana amin’ny matihanina iraisam-pirenena. Nohamafisina ihany koa ireo paikady hisarihana mpitsidika ka zava-baovao entina amin’ity taona ity ny fanatanterahana seho an-tsehatra.

Mahaliana ireo rehetra mpisehatra amin’ny fizahantany sy ny asa tanana, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny ITM sy IHM 2025. Tsy voafetra amin’ireo sehatra ireo ihany fa voasarika amin’izany ihany koa ireo mpandraharaha maro. Noho izany dia vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa andiany voalohany amin’ireo mpandraharahana ireo. Am-polony izy ireo no nahavita izay fifanarahana fiaraha-miasa miaraka amin’ny mpikarakara izay.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer