Songadim-baovaoSosialy
FIZAKATENAN’NY VEHIVAVY : Vehivavy 400 mahery avy amin’ny Faritra 23 nisitraka fiofanana
Ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy, eo ambany fitarihan-dramatoa Mialy Rajoelina, vehivavy maherin’ny 400 avy amin’ny Faritra 23 no nisitraka fiofanana fototra sy mampidi-bola momba ny fahandroana sakafo sy mofomamy ary momba ny fomba tsotra fitantanam-bola, (gestion simplifiée) nanomboka ny 3 martsa 2023 ary naharitra telo andro tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
Mifanindran-dalana amin’ny lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity ny tanjon’izao hetsika izao, dia ny hanohanana ireo vehivavy hahaleo tena mba ho antoky ny fandrosoana lovain-jafy. Ho an’ny fampiofanana momba ny fahandroana sakafo sy ny mofomamy dia nokendrena ho akora sy fitaovana mora hita any amin’ny Faritra misy azy ireo no nentina nampianarana ireto vehivavy ireto. Ho mora ho azy ireo araka izany ny hampihatra ny traikefa azon’izy ireo nandritra izao fampiofanana izao ary hampita izany amin’ireo vehivavy hafa isaky ny Faritra. Marihina fa ny fanatanterahana ity fampiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fikambanana Fitia izay tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina, ny Minisiteran’ny mponina, ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ary ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa.
Fitsaboana mitety vohitra
Tetsy ankilany, ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy hatrany, hetsika efa natomboka ihany koa ny fitsaboana mitety vohitra nanerana an’Antananarivo, ankoatra ireo efa miantrana any amin’ny Faritra hafa. Tonga nijery izany « caravane médicale » izany nandritra ny fijanonany tao Antsonjombe ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina, omaly 5 marsa 2023. Tsara ho fantatra fa ny fitsaboana mitety vohitra dia manome tolotra ara-pahasalamana isan-karazany maimaim-poana toy ny « radiographie », ny « cardiologie », ny fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, ny fitiliana ny homamiadanan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ny fitsaboana nify sy ny ati-vava, sns. Nanome toromarika manokana moa ny Filoham-pirenena momba ireo fanafody omena mba hifanaraka tsara amin’ireo aretina mahazo ireo marary. Ankoatra ireo fizaham-pahasalamana sy fitsaboana dia eo ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy.
Nifanome tanana amin’ny fanatanterahana azy ny Fikambanana Fitia, tarihin-dramatoa Mialy Rajoelina, miaraka amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.



