Politika
FIZARANA AN’I VATOVAVY FITOVINANY: Diso ny filazana fa mikorotana ny vahoakan’Ikongo
Manoloana ny firosoan’ny Fanjakana amin’ny fametrahana ny Faritra faha-23, amin’ny alalan’ny fizarana an’I Vatovavy Fitovinany, dia niely ny tsaho tao amin’ny tambazotra sosialy fa hoe mikorotana ny vahoakan’Ikongo noho ny tsy fanekena fiarahana amin’ny Fitovinany. Misy mihitsy manely horonantsary hampifandraisina amin’izany. Diso anefa izany, araka ny fanadihadiana, satria horonantsary efa tany amin’ny taona 2018 ireto natambatambatra, iniana hampifandraisana amin’ny zava-misy ankehitriny ireto. Fanankorontanana sy fitiavana hanohitra ny rindran-damina rehetra efa hapetraky ny Fanjakana noho izany ny fanaovana ireny horonantsary ireny. Omaly, nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny Solombavambahoakan’Ikongo teo aloha, Lalanirina Brigitte, izay nilaza fa resy lahatra amin’ny fiarahana amin’ny Fitovinany ny vahoakan’Ikongo. Raha antony ara-jeografika, hoy izy, dia I Manakara no akaiky an’Ikongo noho I Mananjary. Izany hoe, tsotra kokoa amin’ny vahoakan’Ikongo ny mikarakara antontan-taratasy ao Manakara, mihoatra ny an’I Mananjary, izay mbola an-jatony kilometatra maro. Tsy mitombina koa, hoy ity tompon’andraikitra ity, filazana fa mifamatotra ara-kolontsaina Ikongo sy Mananjary. Noraisiny ho ohatra ny mahakasika ny tsy fitaizana zaza kambana, izay fomban’I Mananjary, kanefa tsy fomba ao Ikongo. Eo amin’ny lafiny toekarena, saika ny vokatra rehetra miainga avy ao Ikongo no tonga ao Manakara, ary mbola ao ihany koa no hanondranana izany any ivelany. Dikany, antoka ho an’ny fivelarana ara-toekarena ho an’Ikongo ny fitambarana amin’I Fitovinany. Ary, nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity fa ireny Ampanjakana lehibe nihaona tamin’ny Filoha ireny no tena to teny sy eken-teny any Ikongo, ary tsy tokony ho toherina.



