PolitikaSongadim-baovao

FLORENT RAKOTOARISOA : Voafidy ho Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

Rakotoarisoa Florent no nandimby an-dRakotoarisoa Jean Eric. Tsy misy rohim-pihavanana akory teo amin’ny roa tonta fa anarana sendra nifanandrify fotsiny. Araka ny fifidianana izay natao omaly, noho izany, i Florent Rakotoarisoa indray no Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mandritra ny fito taona ho avy, anatin’ny fe-potoam-piasan’ny mpikamban’ny HCC.

Vato miisa valo tamin’ireo mpikambana valo nanatanteraka ny fifidianana ho Filohan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana omaly no nandany an’Andriamatoa Florent Rakotoarisoa ho Filoha. Fifidianana izay nanaraka ny voalazan’ny andininy faha 114 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny andininy faha-14 ao amin’ny Fitsipika anatiny. Tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nanatanterahana ny fifidianana, ary saika nandray anjara tamin’izany avokoa ireo mpanolontsaina Avo eo anivon’ity Andrimpanjakana ity, ankoatran’Andriamatoa Noelson William, izay efa sady tsy niaraka nanao fianianana tamin’ireo mpikambana valo hafa koa. Tsara tsiahivina fa taorian’ny nivoahan’ny anaran’ireo mpikambana vaovaon’ny HCC dia efa tao anatin’ny tombatombana sy ny lojikan’ny rehetra ny haha Filohan’ny HCC an’ingahy Rakotoarisoa Florent. Izy izay izay efa minisitry ny Atitany tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita, ary isan’ireo namolavola ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra,  hiainantsika ankehitriny. Efa mpitsara teo anivon’ny HCC tamin’ny fiandohan’ny Repoblika fahatelo ihany koa. Antony nahatsara toerana azy handray ny toeran’ny Filohan’ity Andriampanjakana lehibe ity. Marihina fa anisan’ireo lany ho solontena roa avy eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara ny tenany, niaraka tamin-dRazanoarisoa Germaine Bakoly, ary izao lasa Filohan’ny HCC izao.

Hitsara ny fifanolanana eo amin’ny Andrimpanjakana

Mitodika etsy Ambohidahy, araka izany, ny mason’ny rehetra manomboka izao amin’ireo raharaha samihafa miseho eto amin’ny Firenena, izay ilàna ny hevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana, indrindra amin’izao fahatongavan’ingahy Florent Rakotoarisoa eo amin’ny toeran’ny Filoha izao. Tsara ho fantatra fa araka ny andininy faha-116 ao amin’ny Lalàmpanorenana,  ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mitsara raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ireo fifanekena, lalàna, hitsivolana, ary ireo didy amam-pitsipika mahaleotena. Ankoatra izay, ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana koa no mandamina ny fifanolanana ara-pahefana eo amin’ny Andrim-panjakana roa na maromaro, na eo amin’ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana iray na maromaro na eo amin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana roa na maromaro. Etsy ankilany, ity rafitra ity no mitsara raha mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanapahana sy didy amam-pitsipika nankatoavin’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana, ary mitsara ny raharaha mikasika ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona. Tafiditra ao anaty asan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana koa ny manambara ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakana ny hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Fermer