Songadim-baovao
Foibe fitsarana fiarakadia : Hirosoana ny fanasaziana ireo fiara manetroka mihoapampana
Hiditra tanteraka amin’ny fanasaziana ireo fiara mbola miasa, mamoaka setroka mihoapampana ny avy eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Antony hanaovana izany, ny hirosoana ny fampanarahan-dalàna ireo fiara mivezivezy…

Hiroso amin’ny fanasaziana ireo fiara mbola miasa mamoaka setroka mainty sy ireo fiara tsy tokony hiasa intsony ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia na ny DGSR. « Hisy ny fandraisana fepetra manokana atao ho an’ireo fiara tsy manaraka ny lamina efa napetraka rehefa misy ny fanakanana ataon’ny mpitandro filaminana », hoy ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, ny Jly Tsirivelo Nicolas, omaly tetsy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, tetsy Alarobia. Araka izany, hisy ny fitsirihana tampoka ataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia ho fanohizana ny asan’ireo mpitandro filaminana, na ny eto an-drenivohitra na eny amin’ireo lalam-pirenena. Araka ny antontanisa voaray manerana ny Nosy, mahatratra 15 isan’andro ireo fiara manetroka mihoapampana (émission de fumées excessives) tsy lany fetrandro nanaovana fitsirihana ara-teknika no voasazy, raha toa ka ny 3% amin’ireo fiara manao fitsirihana ara-teknika eny amin’ireo Foibe fitsarana fiarakodia eto Antananarivo no ahitana fiara misy setroka mainty tsy afaka miasa intsony. « Antony izao hetsika izao, ny mba ho fampanaharan-dàlana ny fampiasana ny fiara sy ny fikojakojana azy. Eo koa ny fanamafisana ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana. Ity naoty hampiharina ity dia efa voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, izay hotohizana ny fampiharana izany ho an’ireo olona rehetra mampiasa fiarakodia », hoy hatrany ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia. Nanamafy ny lehiben’ny Fitsarana fiarakodia etsy Betongolo, ny Kapiteny Ralandiranto Rado Lalaina « fa tsy misy intsony ny indrafo ho an’ireo fiara hita sy tratra ka tsy ho afaka hiverina miasa, raha tsy mahavita ny fanamboarana ».
Hetsika fampanarahan-dalàna

Ankoatra izay, nilaza ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy fa hotohizina ihany koa ny hetsika maromaro ho fampanarahan-dalàna ny fiara ampiasaina. Tafiditra ao ny taratasin’ny fiara na fanaraha-maso ireo fiara mitondra laharana vahiny na fiara WWW .Tanjona, hoy izy, ny fanatsarana ny asa atao eo amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia manerana Nosy. Raha ny tatitra fohy ny asa vitan’izy ireo nandritra ny 2020, miisa 280.102 ireo fiara vita fitsirihana ara-teknika vita. 31.146 fiara vita fandraisana ara-teknika ary 2658 ny fiara vita fizahana mialoha ny fadintseranana. Fiaram-panjakana 1537 vita fitsirihana ara-teknika raha maherin’ny 300 ireo fiara nampidirina am-balam-pamonjana. Tiana ny manamarika fa mbola m itohy ny hetsika fitsarana tampoka an-dalambe hotanterahin’ny Foibe fitsarna fiarakodia (DGSR), manomboka ny 18 ka hatrami’ny 22 janoary 2021, eto amin’ny faritry ny renivohitra sy ny mivoaka mihazo ireo lalam-pirenena.



