Songadim-baovao
FOIBE FITSARANA FIARAKODIA : Hosavaina ny rosia nahavitana ny fandraisana ara-teknika
Hirosoana ny fampanarahan-dalana ireo fiara « WW… », ny 21 septambra ho avy izao. Nampahatsiahy ny avy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia omaly, fa hosavaina avokoa ny rosia nahavitana fandraisana ara-teknika ho an’ny fiaran’olon-tsotra sy ny fiara vaovao vao novidina…

Manoloana ny hetsika iarahana amin’ny mpitandro filaminana manomboka ny alatsinainy 21 septambra ho avy izao, mahakasika ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna ireo mampiasa ny laharana « WW… » sy ny laharana vahiny. Ny vy ao amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia dia nitondra fanampim-panazavana manaraka izao : Ho an’ireo fiaran’olon-tsotra (vehicules particulièrs), dia hisy ny fisavana ny « Rosia » nahavitana ny fandraisana ara-teknika (Reçu de la première réception technique) teny amin’ny Ivon-toerana Fandraisana ara-teknika eny Alasora By-Pass ary eny amin’ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia ho an’ny any amin’ny renivohim-paritra. Mahakakasika ny fiara novidina vaovao tany amin’ireo mpivarotra izany kosa, hisy ny fisavana mandritra ny hetsika ny fitanana an-tsoratra nahavitana ny fandraisana ara-teknika (procès-verbal de la réception technique). Ny Foibe fitsarana fiarakodia dia mampahafantatra hatrany fa isaky ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia na « Centres de sécurité routière » manerana ny Nosy, fa indrindra ny Ivon-toerana fandraisana ara-teknika (Centre de réception technique) By-pass/Alasora Antananarivo dia misokatra hatrany ny toeram-piasana ka mandray ireo mpanjifa manomboka amin’ny 7ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy an-kiato.
Irosoana ny fampanarahan-dalàna…

Mbola misokatra sy miasa koa ny asabotsy amin’ny 7ora maraina ka hatramin’ny 12 ora antoandro. Ho an’ireo izay manana fiara am-polony, afaka manao taratasy fangatahana an-tsoratra ka aterina eny amin’ny Ivon-toerana fandraisana ara-teknika By-pass/Alasora, mba hanatanterahana izany any amin’ireo toerana misy azy ireo. Nambaran’ny Kly Rasambomanana Yvon Patrick Tale eo anivon’ny Foiben’ny fitsarana fiarakodia fa « tsy mitsaha-mitombo ny fiara mampiasa tsy ara-dalàna ny laharana « WW » na mitondra ny laharana vahiny avy any ivelany noho ny tsy fahatomombanan’ny taratasin’ny fiara na ny tsy fisiany izany mihitsy, mba hialana amin’ny fanaovana « réception technique ». Tsy maintsy irosoana, araka izany, ny fampanarahan-dalàna isorohana amin’ireo tsy fanarahan-dalàna sy ny mety hanaovan’ireo olon-dratsy asa ratsy amin’ireo fiara tsy manara-dalàna. Tsiahivina fa misy koa ireo fiara efa manana laharana malagasy, saingy mampiasa « WW » ary tsy manao fitsirihina ara-teknika.



