PolitikaSongadim-baovao
FOIBEM-PITANTANANA NY HETRA: 22 ireo orinasa tsy ara-dalàna efa nakatona hatramin’ny 2019
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny tale jeneralin’ny Foibem-pitantanana ny hetra omaly, manoloana ny resaka mandeha mahakasika ny fanakatonana orinasa niseho tato ho ato. Niniana novoizina hatrany fa antony ara-politika no nanakatonana ireny orinasa ireny. Nitsipaka izany anefa ny tale jeneralin’ny hetra fa fampanarahan-dalàna no natao, ary tsy tanjona velively ny fanakatonana orinasa.
“Fanapahan-kevitra adminstratif no noraisina nanakatonana ny triple AAA, tsy tao Fianarantsoa irery fa nisy koa teto Antananarivo, tao toamasina, ary tao andranomanelatra”, hoy ny Tale jeneralin’ny Foibem-pitantanana ny Hetra, Germain, omaly.
Tsy manao politika ny Foibem-pitantanana ny hetra, hoy izy, ary tsy misy ambadika politika ireny fanapahan-kevitra ireny, fa rehefa tsy manara-dalàna dia tsy maintsy haverina amin’ny ara-dalàna. Fanakatonana administrative no natao, hahafahan’ilay orinasa nakatona, mikarakara ireo taratasy rehetra tsy ara-dalàna teo aloha, anatin’ny 15 andro. Notsindrian’ity tompon’andraikitra ity fa betsaka ireo orinasa nandraisana fanapahan-kevitra toy izany. Saingy ny triple AAA no nisongadina noho izy naka mpanao gazety nandritra ny fanakatonana natao tamin’ny orinasa.
Orinasa 22 nakatona
Nohamafisin’ny DGI fa fampanarahan-dalàna no natao fa tsy misy resaka politika. 22 isa, hoy izy, ny orinasa nanaovana fanakatonana fitantanana nanomboka 2019 ka hatramin’izao. Tsy nisy fanavahana io, misy amin’ireo orinasa vahiny. Etsy ankilany, manoloana ny filazan’ireo orinasa nakatona fa nahaloa hetra izy ireo, dia nambaran’ny DGI fa ny fanaovana fanambaran-ketra dia tsy midika mihitsy hoe ara-dalàna ny orinasa iray. Matoa nandraisana fepetra, hoy izy, dia tsy nahaloa hetra izy izay, na tsy nanaraka ny lalàna momba ny fandraharahana.
“Mety misy antony maro tsy maha ara-dalàna azy, fa tsy ny tsy fandoavan-ketra ihany”, hoy ny fanazavany.
Ho an’ny Vondrona Tiko manokana, misy ny hetra tsy voaloany teo aloha mitentina 170 miliara eo ho eo. Ankoatra ireo, manoloana ny filazan’ny sasany indray, mikasika ny fanakatonana orinasa mitranga ankehitriny sy ny paikadin’ny fitakiana hetra, dia nambaran’ny DGI, fa tsy tanjona ny fanakatonana orinasa. Fampanarahan-dalàna, hoy izy, no tiana hatao fa tsy ny hisian’ny fahaverezan’asa, sy ny fahaverezana tombontsoa amin’ny tompon’orinasa. Fantatra omaly, fa manomana ny lalàna mikasika ny fampidiran-ketra amin’ny taona 2021 ny DGI, ary efa nisy ny paikady fanatsarana ny fampidiran-ketra amin’io taona hitsidika io.




