Songadim-baovao
FOLOALINDAHY MALAGASY: Manamboninahitra jeneraly 35 mirahalahy notolorana faneva
Notanterahina omaly teny teny amin’ny Toby Jeneraly Ismaël Mounibou, 1er « Bataillon Parachutiste », Ivato, ny fanolorana Faneva ho an’ireo Manamboninahitra 35 nahazo sy niakatra galona Jeneraly tamin’ny taona 2024. Ny Filohan’ny Repoblika Lehibe faratampon’ny Foloalindahy Andry Rajoelina no tonga nanolotra izany niaraka tamin’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, Rakotondrazaka Andriatsarafara notronin’ireo tomponandraikitra ambonin’ny Fibaikoana eo anivon’ny Foloalindahy. 13 no nahazo ny galona « Généraux de Division » ary 22 kosa, ireo nahazo ny laharam-boninahitra « Généraux de Brigade ». 24 tamin’ireo no avy amin’ny Tafika ary 11 avy amin’ny Zandary. Niarahaba ireo vao avy nandray faneva ny Minisitry ny Foloalindahy tamin’ny fandraisam-pitenenany, ary nisaotra ny Filoham-pirenena tamin’ny nankatoavany ny fanendrena ireo Jeneraly 35. Nohamafisiny fa mendrika matoa nomena ary fatratra matoa nahazo izany izy ireo, ary tokony hampiakatra ambonimbony hatrany ny faneva nosafidian’izy ireo, mba ho reharehan’ny Foloalindahy. Nitondra ny tenin’ny miaramila an-daharana sy ny manamboninahitra koa izy ka nanamafy ny tsy fanekena ny fampisaraham-bazana ka hitandro hatrany ny firaisan-kina. Notsindriany koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana amin’ny vahoaka mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mahomby. « Mariky ny fankasitrahana ny fikirizana sy ny fandavan-tena aman-taonany maro avy amin’ireo Manamboninahitra ireo ny fampiakarana galona azy ireo », hoy ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Niarahaba sy nitsodrano azy ireo ny tenany nahazo ny Faneva mampiseho ny maha tomponandraikitra ambony mitandro ny fiandrianam-pirenena azy ireo. « Ny kintana eny an-tsorok’izy ireo dia midika fanompoana ny Tanindrazana am-pahendrena sy am-pahitsiana ho hasin’ny Foloalindahy », hoy izy.
Hoavy ny fiaramanidina telo vaovao…
Nambaran’ny Filoham-pirenena manaraka izany, fa tohizina hatrany ny fanohanana ara-pitaovana ny Hery Fiarovana sy Filaminana, mba hoentin’izy ireo manatanteraka ny asa ka ho avy tsy ho ela ny fiaramanidina telo vaovao LET 400. Eo koa ny fanavaozana ireo fanamiana entin’ny mpitandro filaminana miantsehatra eny an-kianja. Nampatsiahy ireo fotoan-dehibe iraisam-pirenena sy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena amin’ity taona 2025 koa ny Filoha Andry Rajoelina, ary niantso ny Foloalindahy handray ny andraikitr’izy ireo, mba ho fankalazana hampiakatra avo ny voninahi-pirenena izany, ary ho reharehan’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka. Tiana ny manamarika fa samy nahazo ny anjarany avokoa ny Vondron-kery Tafika an-tanety, Tafika an’habakabaka, Tafika an-dranomasina ary mpitsabo Miaramila sy ny Zandarimariam-pirenena. Tao ireo niakatra « Général de Division Aérienne, Général de Division, Vice Amirale, Général de Brigade Aérienne, Général de Brigade ,sy Contre Amirale ». Efa nitazona andraikitra ambony avokoa ny ankamaroan’izy ireto ary efa nitana fibaikoana. Nanatitrantitra izany, ny Filoha Rajoelina nandritra ny kabariny, tamin’ny filazany fa nisy ny fanoloran-tena ho an’ny tanindrazana nataon’ireto manamboninahitra ireto. Nilofo koa izy ireo ary nandalo fisedrana maro vao tonga amin’izao tanjona izao.
Rado Harivelo



