Songadim-baovao

FOLOALINDAHY MALAGASY Manamboninahitra Jeneraly miisa 40 notolorana faneva

Jeneraly 40 no notolorana fanevam-pirenena, teny Ivato, omaly. Manamboninahitra miaramila nakarina galona Jeneraly tamin’ny taona 2020 izy ireo. Miroso hatrany ny fanovan-drafitry ny Tafika, ary mitaky andraikitra goavana kokoa no ambadik’izao fanolorana faneva izao, raha ny nambaran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena…

Notanterahina omaly ny fanolorana faneva ho an’ireo Manamboninahitra Jeneraly miisa 40 avy amin’ny Tafika malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena, izay vao nakarina tamin’ny laharam-boninahitra Jeneraly tamin’ny taona 2020, izay nahitana « Général de Division » miisa 31, ary « Général de Brigade » miisa 09. Raha ny fantatra dia samy nisafidy izay tarigetra tiany ijoroany avy ireo Jeneraly notolorana faneva. Nisy tamin’ireo « Général de Brigade » no avy amin’ny Tafika an-dranomasina, raha ny ankamaroany dia avy amin’ny tafika an-tanety avokoa. Lanonana ara-miaramila miavaka no nentina nanatanterahana izao fanolorana faneva izao, izay notarihan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard, sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, Gellé Serge. Tonga nanotrona izany koa ny Jeneraly Lehiben’ireo Etamazaoron’ny Tafika, sy ny Jeneraly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ary ireo vahiny manan-kaja sivily sy miaramila. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Jeneraly Minisitry ny Fiarovam-pirenena no nanolorany fiarahabana azy ireo. Efa nandalo fotoana lava teo anivon’ny foloalindahy malagasy, dia zandarimariam-pirenena sy tafika malagasy izy ireo, nitondra ny anjara birikiny avy teo amin’ny asa sy iraka nampanaovina azy ireo tsirairay avy. nitondra izay nety teo amin’ny fampandriana fahalemana sy fanompoana ny tanindrazana. « miandry anareo ny vahoaka malagasy satria betsaka ny iraka mbola miandry avy amin’ny baiko omen’ireo lehibe, dia ny kaomandin’ny zandarimaria sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika, amin’ny fanompoana vahoaka ho fiarovana ny ainy sy ny fananany », raha ny nomarihan’ny Minisitra.

Mitombo andraikitra anaty fanovan-drafitra…

Itakiana andraikitra goavana ireo Jeneraly notolorana faneva rehetra

Efa napetraka avokoa ny « Zone de Défense et de Sécurité » (ZDS) rehetra manerana ny Nosy, teo anatrehan’ny fanovan-drafitra efa mandroso ankehitriny. Efa ho voatendry fotoana fohy ireo CB eo anivon’ny tafika an-tanety, ary mitohy hatrany izany fanovan-drafitra izany, hoy ny minisitra. Notsiahiviny ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika, ho fametrahana ny filaminana eto amin’ny firenena, izay vaindohan-draharaha amin’ny fampandrosoana. Tokony havitrika hatrany eo amin’ny iraka hiarovana ny firenena sy ny vahoaka ary ny fananany, ianareo, ary ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara manoloana ny ambana mety hisy rehetra ho avy », nanome hafatra ny minisitra. Tetsy an-kilan’izany kosa, nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny zokiny indrindra tamin’ireto Jeneraly vao notolorana faneva, tamin’ny alalan’ny Général de Division Ramiaramanana Joseph, Governoran’ny faritra Bongolava no nanambaran’izy ireo hatrany ny fahavononany hanompo sy hiaro hatrany ny firenena, manoloana ny andraikitra sahanin’izy ireo avy. Nambaran’ity farany, fa « vonona mandrakariva amin’ny Fiarovam-pirenena izahay, ary izao faneva izao no natolotra anay, dia mitombo manaraka izany ny fahatokisanareo lehibenay eo am-panatanterahanay ny asa tandrify anay amin’ny fanompoana ny vahoaka ». Nisaotra ireo antanan-toha-pahefana isan-tsokajiny, tamin’ny alalan’ireo Manamboninahitra Jeneraly nahazo faneva, sy tamin’ny anaran’ny tenany, ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph, tamin’izany. Notoloran’izy ireo mari-pahatsiarovana manokana ihany koa, nanomboka tamin’ny Filohan’ny Repoblika sady Filoha faratampon’ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ary ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.

Fermer