Songadim-baovaoToekarena
FOMBA FITANTANAM-BOLA MAHOMBY: Nampahafantarina tamin’ireo mpianatra eny amin’ny EPP sy Lisea
Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny hetsika “Global Money Week” notanterahana ny 18 hatramin’ny 23 marsa lasa teo ny MVola. Tanjona napetrak’izy ireo tamin’ity taona ity ny hanamafy hatrany ny fanabeazana ara-toekarena ho an’ny Malagasy, indrindra ho an’ireo tanora. Ho fampiharana izany indrindra dia niavaka ny hetsika notanterahan’io orinasa lehibe iray eto Madagasikara io.
“Nisafidy ny hiverina hatreny ifotony mihitsy ny MVola”, hoy ny fampahafantaran’izy ireo. Nisy ny atrikasa mahakasika ny fomba fitantanam-bola nampandraisana anjara ireo mpianatra avy amin’ny EPP Sabotsy Namehatra sy ireo ankizy raisina an-tanan’ny fikambanana “Maison des Enfants Vasakosy”. Nampitaina azy ireo tamin’ny alalan’ny fomba tsotra io lafiny fitantanam-bola io, ohatra amin’izany ny fanaovana kilalao, fifanakalozan-kevitra sy fampiasana fitaovana mifanaraka amin’ny taonan’izy ireo. Vokatr’izany dia nahafantatra kokoa ny fahasamihafan’ny laharam-pahamehana amin’ny fandaniana ara-bola sy ny mety ho ahitaitra fotsiny ihany ireo ankizy ireo. Nahay ny tsara ho fantatra momba ny fanangonam-bola sy nahafantatra ny tena lanjan’ny vola.
Ankilany, nitsidika ny ivontoeran’ny MVola ireo tanora mpianatra eny amin’ny lisea Andohalo. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny CNFI (Coordination Nationale de la Finance Inclusive) no nahafahana nanatanteraka izany. Tombony lehibe ho an’ireo tanora ireo ny fanatanterahany io fitsidihana io satria nahafahan’izy ireo nahafantatra bebe kokoa ny fihodin’izany «banque digitale» izany. Nahita ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny teknolojian’ny toekarena amin’ny fampivoara ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy, mipaka amin’ny fampivoarana ny firenena. Nampitaina tamin’ireo tanora fa afaka tonga ho mpandray anjara amin’ny fiovana miabo eto amin’ny firenena izy ireo aoriana ao. Afaka mitondra zava-baobao, mamorona sy mampandroso ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fampiatiana ireo fitaovan’ny sehatra ara-bola.
Fehiny, mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana sahady ny fahaleovantena ara-bolan’ireo tanora ireo ny fampitàna tamin’izy ireo ny tsara ho fantatra rehetra mahakasika ireo ny fitantanam-bola mahomby sy ny fanavaozana entin’ny teknolojia eo amin’ny lafiny fikirakirana ara-bola.
Sarobidy Sidonie.




