Non classé

FONJAN’I MAHAJANGA: Nahitana trangana Covid-19 miisa roa

Toerana anisany saro-pady amin’ny resaka valanaretina ny fonja, indrindra ny eto amintsika. Araka ny fanazavana nomen’ny Minisitry ny Fitsarana omaly anefa, nahitana trangana Coronavirus miisa roa tao amin’ny Fonjan’I Mahajanga, ao anatin’izao vanim-potoana mampirongatra ny valanaretina izao indray. Raha ny fanampim-panazavana avy aminy hatrany dia efa any amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana any an-toerana ireto voafonja roa ireo amin’izao fotoana izao, ary efa manaraka fitsaboana. Notsindriany, araka izany, fa efa voafehy ny zava-misy ao amin’ity fonja ity, ary nohamafisina hatrany ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana ao an-toerana.

Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety omaly no nanindrian’ny Minisitry ny Fitsarana fa tsy afaka miditra any amin’ny Fonja mihitsy ny olona iray raha tsy mandalo fitiliana, avy eo atoka-monina amin’ny toerana iray. Rehefa azo antoka kosa ny fahasalamany izay vao miditra miaraka amin’ny daholobe any anatiny. Ankehitriny, mivory ny tomponandraikitra samihafa amin’ny fanamafisana ny fepetra raisina eny anivon’ny fonja, toy ny famerana ny fivoahana, ny fividianana fanafody, fijerena sahady mahakasika ny sakafon’ireo voafonja raha toa ka hisy ny fihibohana maharitra.

Iharan’ny valanaretina ny Fitsarana

Notsiahivin’ity tomponandraikitra ity fa anisan’ny sehatra iharan’ny valanaretina koa ny Fitsarana. Manaporofo izany ny fisian’ireo mpitsara izay lavo tato anatin’ny andro vitsivitsy. Anisan’ny toerana hifaneraserana betsaka ny fitsarana, hoy izy. Na izany aza, mbola mandeha ny fotoam-pitsarana rehetra. Ny herinandro lasa teo anefa, noho ny fitombon’ny isan’ireo tranga vaovao, nandray fepetra fitandremana ny fitsarana ka nametraka fanafody sy niditra tamin’ny “service minimum”. Notsindriany, araka izany, fa ny filazan’ny Filoha milaza ny fitohizan’ny asam-panjakana rehetra, ny sabotsy teo, dia tsy midika ho tsy fahafahan’ny tomponandraikitra eny ifotony mandray fanapahan-kevitra, raha toa ka misy tranga ahina.

Fermer