Fanadihadiana Manokana

FOTOAM-PIALAN-TSASATRA : Nampitomboana ireo mpitandro filaminana miasa eny amin’ny lalam-pirenena

Raha manodidina ny 107 isan’andro ireo fiara miainga ao amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka isan’andro dia nitombo 172 izany amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Midika izany fa miha betsaka ny fifamoivoizana eny amin’ireo lalam-pirenena. Fepetra raisina mifandraika amin’izany ny fampitomboana ireo mpitandro filaminana miasa eny amin’ny lalana.

Misomebiseby sy mifanaretsaka ankehitriny ny eny amin’ireo toby lehibe fiantsonan’ny fiara mpitatitra rejionaly sy nasionaly eto an-drenivohitra. Tsy atao mahagaga izany satria efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialan-tsasatra isika amin’izao fotoana. Mitombo kokoa anefa ireo olona misafidy ny hisintaka ny renivohitra ka hamonjy ny any amin’ny faritra taorian’ny fahavitan’ny fanadinana BEPC farany teo iny. Hita taratra izany nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, hoy ny mpitatitra iray eny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Nanatombo hatramin’ny 4 isan’andro eo ireo fiara miainga isaky ny kaoperativam-pitaterana, noho izay fahamaroan’ny mpandeha izay. Vokany, nahitana fiakarany ny antontanisan’ireo fiara miainga eny amin’io tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka io. Raha toa ka manodidina ny 107 ny fiara mpitatitra miala ao an-toerana isan’andro dia tafakatra hatramin’ny 172 fiara izany amin’izao fotoana.

Midika izany fa tsy mahakivy velively ireo mpiala sasatra ny fiakaran’ny saran-dalana rehefa amin’izao vanim-potoana mahabetsaka ny mpandeha izao. Raha tsiahivina mantsy dia nametraka paikady eo amin’io lafiny famaritana saran-dalana io ny eny amin’ny tobim-piantsonana. Tazomina amin’ny sandany mahazatra ny saran-dalana amin’ny fotoana vitsy mpandeha. Miakatra 10 000ariary hatramin’ny 20 000ariary kosa izany rehefa amin’ny fotoana maha betsaka ny mpandeha amin’ny fialan-tsasatra. Ho an’i Mahajanga, ohatra, 60 000ariary ankehitriny ny saran-dalana.
Ankoatra io, mampitaraina ny rehetra ihany koa ny faharatsian’ny lalana, indrindra eny amin’ireo lalam-pirenena betsaka mpampiasa toy ny RN4, RN6, RN2, ary RN7. Raha toa ka adiny 10 hatramin’ny adiny 12 no hanaovana ny lalana Antananarivo-Mahajanga teo aloha tsy vita raha tsy ao anatin’ny adiny 16 izany amin’izao fotoana. Mitovy amin’izany ihany koa Antananarivo-Toamasina izay maharitra adiny 12 ankehitriny no hanaoana io lalana io. Ampahan-dalana tena ratsy ny eo anelanelan’i Ranomafana sy Ampasamadinika satria nitombo ho adiny 6 no hanaovana izany lalana izany amin’izao fotoana kanefa adiny 3 monja teo aloha.

Fepetra manokana

Mitombo, araka izany, ny fifamoivoizana eny amin’ireo lalam-pirenena maro manerana ny Nosy. Tanjona apetraka ny tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana na tranga fanafihana ka samy hampiasa am-pitoniana ny lalana ny rehetra. Manoloana izany indrindra, nametraka paikady manokana ampiharina mandritra izao fotoam-pialan-tsasatra izao ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Nohazavain’ny Jeneraly Ravoavy Zafisambatra fa ampitomboana isa ireo zandary mpanara-maso eny amin’ireo lalana marolafy erak’i Madagasikara. Raha nahazatra hatramin’izay ny fiambenana eny amin’ireo lalam-pirenena dia nitarina hatrany amin’ireo lalana any amin’ny tontolo ambanivohitra izany. Izany hoe hamafisina ny fanaraha-maso hatreny amin’ireo lalana mampifandray kaominina.

Tsy natokana ho an’ny mpitandro filaminana irery ihany anefa ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny fanatrarana io tanjon’ny tsy fisiana lozam-pifamoivoizana sy trangana fanafihana io. Manana anjara lehibe amin’izany ihany koa ireo mpamily izay tompon’antoka voalohany amin’ny fitaovam-pitaterana entiny sy ny ain’ny mpandeha. Mila hamafisina ihany koa, araka izany, ny fahamalinana any amin’izy ireo. Zava-dehibe hatrany fanarahana fepetra rehefa mandray familiana. Isan’izany ny fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, ny fitandremana amin’ny hafainganam-pandeha mihoa-papana, ary indrindra mahakasika ny fandraisana zava-mahadomelona.
Tsy tokony atao ambanin-javatra ihany koa ny fanarahana-maso ny fikojakojana ny fiara na dia efa atao matetika aza izany. Manentana ireo mpamily mba hanara-maso ny fiarany ny tompon’andraikitra mialoha ny hiaingana, indrindra ireo izay handeha lavitra sy hihazo toerana mbola tsy naleha. Arahi-maso tsar any kojakoja rehetra momba ny fiara toy ny kodiarana sy ny hisatra izay mitarika any amin’ny loza matetika ny tsy fahatomombanan’ireo.
Mahakasika ny fandriampahalemana eny an-dalana kosa, entanina ny rehetra mba ho malina sy hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana akaiky azy raha toa ka mahatsikaritra tranga mety mampiahiahy. Nomarihin’ny tompon’andraikitra fa isan’ny nahafahana nampihena ny trangana tsy fandriampahalemanana eny amin’ireo lalam-pirenena izay fiarahan’ny rehetra mihentana izay.

MAHAJANGA
Nametrahana mpitandro filaminana eny amin’ireo toeram-pitsidihana sy fivahinianana

Lohalaharana amin’ireo toerana betsaka mpitsidika hatrany isaky ny fialan-tsasatra hatreto i Mahajanga, na hita aza fa mitombo ihany koa ireo olona tonga mitsidika any Toamasina. Mahasarika kokoa ny olona hisafidy ny hiala sasatra any Mahajanga ny fahaizan’ny mponina any an-toerana mandray vahiny sy ny fananany toetrandro mafana na dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina aza. Toy ireo lalam-pirenena sasany, misedra olana amin’ny faharatsian-dalana ihany koa ny RN4 izay mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Noho io fahamaroan’ny fifamoivoizana io indrindra no nahatonga ny avy eo anivon’ny  Ministeran’ny Asa Vaventy handray ny andraikiny manandrify azy. Isan’ny asa notsidihan’ireo tompon’andraikitra tamin’ny talata lasa teo, ohatra, ny asa fanamboaran-dalana natao teo Mahajanga hatrany amin’ny tetezana vaovao Ampasimbe RN4, PK 387. Himasoana ihany koa ny fanarenana ny RN4 amin’ny ankapobeny.

Nandray fepetra mifandraika amin’io fahamaroan’ny mpiala sasatra any Mahajanga io, araka izany, ny Zandarimariana any amin’ny Faritra Boeny. Toy ny isan-taona, hamafisina hatrany ny fiarovana eny amin’ny RN4, ao amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny, ary hatrany amin’iny RN6 iny. Ankilany, misy ihany koa ny paikady vaovao napetraka, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Misongadina izany ny fampitomboana isa ireo zandary hiasa eny an-kianja  ka hahitana azy ireo avokoa ny eny amin’ireo toeram-pitsidihana rehetra ao Mahajanga sy ny any amin’ny manodidina ireo toeram-pandraisam-bahiny. Mitovy amin’izany ihany koa ny eny amin’ireo moron-tsiraka. Hatramin’ny sabotsy lasa teo moa, misy ny fisafoana ataon’ny Zandarimariana manerana ny tanànan’i Mahajanga sy any amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena toy ny any amin’ny fokontanin’i Tsararan, Ambovoalanana, ary Antanimalandy, indrindra amin’ny alina. Isan’ny nandraisana fepetra ihany koa ny eny amin’ny “Village touristique” izay iray amin’ireo toerana mahasarika olona ao Mahajanga. Tsy azo atao ny milomano eny an-toerana aorian’ny amin’ny 04 ora hariva. Mila manontany hevitra sy manaraka ny toromarika amin’ireo tompon-tanàna ny mpihavy mialohan’ny hanapahany hevitra hilomano eo amin’izany toerana izany.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer