Songadim-baovaoToekarena

FOTODRAFITRASA HISARIHANA MPIZAHATANY: Ho vita mialohan’ny Aogositra 2025 ny “Lac Iarivo” eny Ivato

Anisan'ny sehatra antoky ny fampandrosoana ara-toekarena ny fizahantany sy ny asa tanana, ary ho fampiroboroboana azy ireo indrindra no antom-pisian'ny Tsenaben'ny fizahantany andiany fahavalo sy ny Tsenaben'ny asa tanana andiany voalohany ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

Notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tsenaben’ny asa tanana andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny fizahantany andiany voalohany, omaly. Tonga teny ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nanome lanja izany. Zava-dehibe eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Malagasy ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny asa tanana. Noho io indrindra no nahatonga azy nanatrika izao fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tsenabe izao. Harenantsika io ary atao ny fomba rehetra hikatsahana izay hampiroboroboana an’ireo sehatra roa ireo. Betsaka ny mpizahatany eto an-toerana. Mahatratra 2 tapitrisa izy ireo, manao ny fitsangantsanganana, miala sasatra amin’ny faritra maro, toy ny any Morondava, Toamasina, Toliara, Mahajanga ary Antsiranana.
Nasongadiny fa ny 90 %-n’ny zavaboary dia eto Madagasikara ihany no ahitana azy, ary ny 5%-n’ny zavaboary manerantany na ny « Biodiversité mondiale » dia eto koa no ahitana izany. Tao anatin’ny lahateniny, nanamafy ny Filoha Andry Rajoelina fa hanangana tetikasa goavana eto Antananarivo, izay avo folo heny na avy 100 heny noho io Miami io. Ho atao eny Ivato ity fotodrafitrasa ity, hitondra ny anarana hoe « Lac Iarivo ». Araka ny nambarany, dia hovitaina amin’ny taona ho avy izany, alohan’ny aogositra 2025, fotoana handraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC, izay hatao eto Madagasikara. « Izaho dia mino sy manantena fa tsy maintsy atao ny fomba rehetra hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara », hoy ihany ny Filoha.
Mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny 2028
Nampatsiahy ny Filoha fa anisany nanova endrika an’ny Dubaï ny asa nataon’ny Vondrona Emaar, izay tena fanta-daza maneran-tany. Ny Filoha mihitsy no nitondra ny vondrona EMAAR, nanoro ny toerana hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Resy lahatra ireto vahiny ireto, hoy izy. Betsaka ny firenena nandresy lahatra an’ny vondrona EMAAR, hanao fampiasam-bola any aminy, saingy i Madagasikara no naharesy lahatra azy ireo noho ny fifankahazoana sy ny harena ananan’ny Malagasy, toy ny torapasika, ny baobab, sy ireo zavaboary izay misy eto amintsika. Betsaka mantsy ny zavatra azo tsidihana eto an-toerana, ary afaka mijanona eto andro maromaro ny mpizahatany, hoy ny Filoha. Vinavinantsika ny mba hampiditra mpizahatany 1 tapitrisa eto amin’ny taona 2028.
Hajoro ny « Tsenaben’ny asa tanana »
Hodinihina ny fomba hampitomboana ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny vola miditra any amin’ny Malagasy tsirairay avy. Anisan’ny vahaolana amin’izany, hoy izy, ny asa tanana satria tena mahay asa tanana isika. Nanamafy izy fa ny « Tsenaben’ny fizahantany sy ny asa tanana » dia tsy ho atao mandritra ny roa andro na telo andro fotsiny tahaka izao, fa hatao maharitra. Hametraka isika ny tsenaben’ny asa tanana na ny « village artisanal ». Ho atao eny Ivato izany eny amin’ny lalana ankavian’ny seranam-piaramanidina. Hajoro eny ny tsenaben’ny asa tanana, ary izay manana kalitao dia homena toerana « stand » ao avokoa. Hisokatra maraina sy hariva io toerana io. Sahirana mantsy ny olona rehefa mividy ny asa tanana, indrindra eo amin’ny lafin’ny taratasy hamoahana izany. Betsaka ny sahirana ka lasa tsy sahy mividy ny asa tanan’ny Malagasy. Noho izany, hapetraka ao amin’io toerana io ny solontenan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera isan-karazany, toy ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny minisiteran’ny Fizahantany, izay hanome fahazoan-dalana avy hatrany ho an’ireo mpividy ka hahafahan’ny asa tanana hiroborobo, araka ny fanazavana nentin’ny Filoha nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer