KolontsainaSongadim-baovao

« FREE EVENTS »: Fahombiazana ny « Soirée Célibat » andiany voalohany

Ambohi-pihaonan’ny samy mpitovo, ireo maniry hanao fihaonana satria mitady namana (tsy manambady, maty vady, nisara-bady), ireo amin’ny ankapobeny no antom-pisian’ilay hetsika « Soirée célibat », nokarakarain’ny « Free Events », izay niditra tamin’ny andiany voalohany omaly alina. Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy manao mpanelanelana akory ny « Free Events », raha nikarakara ny hetsika fa namorona sy manamora ilay sehatra na « espace » ahafahan’ireo nasaina mifankahita amin’ny olona « célibataire » na tokan-tena toa azy. « Anjaranao ny mijery izay mahasoa anao amin’ireo olona tonga manatrika. Dia raha misy hitanao azoazonao moa amin’izy ireo dia afaka mifanatona ianareo, efa misy latabatra sy seza ho an’olon-droa natokana eny amin’ny sisin’ny efitrano eny hanaovana ilay antsoina hoe « speed dating » na ifampiresahanareo ijerena raha mitovy ny tadin-dokanganareo 2”, hoy ny mpikarakara. Ankoatra ireo mety hoe nitady namana, dia nisy koa ireo tonga niala voly sy “nanala azy” fotsiny, amin’ny maha faran’ny herinandro ny fotoana.
Ho an’ny andiany voalohany omaly dia fahombiazana tanteraka satria maro ireo namaly ny antso. Nanomboka tamin’ny 8ora alina dia efa saika tonga avokoa ireo nanjifa ny tapakila. Nafana ny fiarahana, izay nialohavan’ny hira nohirain’ny mpanentana Fidy Dibl sy ny tarika miaraka aminy, tamin’ny alalan’ny hira milantolanto, sy ny jiro amin’ilay antsoina hoe “Lumières tamisées”. Ny tapany faharoa kosa dia niarahana tamin’ny DJ Nicky Di Manu, izay nanafana ny fotoana tamin’ny “ambiance 70-80-90”, natao amin’ilay mety amin’ny rehetra mihitsy.
Nalai-nisaraka ny rehetra. Nanome toky moa ny teo anivon’ny “Free Events” fa andiany voalohany ihany ity notanterahina ity, fa mbola ho avy ny andiany faharoa amin’ny fotoana manaraka.
LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer