PolitikaSongadim-baovao
FREEDOM, ANTOKO MAITSO, AVI, UPAR, …: Mitsipaka marindrano ny fikasana hametraka tetezamita
Eo anatrehan’ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, dia misesisesy ireo fanambarana ataona Antoko Politika, manohana ny hisian’ny fifidianana amin’ny 16 novambra 2023 izao. Isan’izany ny Antoko Freedom, ny Antoko Maitso, ny AVI, ary ny avy amin’ny Vovonana UPAR.
Manoloana ny fiantsoana nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Ramatoa Christine Razamahasoa, hampitsahatra ny zotram-pifidianana, sy ny famoriana ankolafy samihafa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza nolazaina fa hanao fanelanelanana, ny Antoko politika Freedom dia nanambara fa tsy ekena ary melohina ny fisandohana andraikitra ataon’ity filohana andrim-panjakana ity, satria tsy misy lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena manome fahefana azy hanao fanelanelanana ka hitady lalana hafa hampivoaka ny firenena ivelan’ny lalampanorenana. “Tsy manana fototra mitombona na « légitimité » ihany koa ireo olona mijoro milaza manao fanelanalenana ankehitriny, izay efa hita mazava ny fironana politikan’izy ireo fa mitanila mankany amin’ny fanoherana ka tsy azo inoana hahitsy fijery”, hoy ny fanambaran’ny Filohan’ny Antoko Freedom. Etsy ankilany, ny atao hoe fanelanelanana ihany koa amin’izy ireo hatreto araka ny hita dia fifanarahana tsy hisian’ny fifidianana, izay midika ho fandrombahana ny fahefana nomen’ny lalàmpanorenana ny vahoaka malagasy hisafidy ny olona tiany hitondra ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka, araka ny fanazavana hatrany.
“Tsipahina marindrano ny fikonokononana fametrahana tetezamita, hiteraka krizy lalina eto amin’ny firenena ka hamotika ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny rehetra”, hoy ny fanambarana. Ny Antoko Freedom dia manamafy fa ny fifidianana ihany no lalana tokana sy azo antoka hitondra filaminana sy fahamarinan-toerana eto amin’ny firenena. Noho izany, kihon-dalana goavana eo amin’ny fiainan’ny firenena ho avy ny fifidianana amin’ny 16 novambra 2023 ka manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra mba hiatrika izany ary ho tonga maro handatsa-bato, ny Antoko Freedom.
Antoko Maitso: Manaporofo ny fandalana ny demokrasia ny fifidianana
Etsy ankilany, manohana ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana Filohampirenena hatao ny 16 novambra ho avy izao koa ny «Antoko Maitso- Hasin’i Madagasikara». Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, nanaraka tsara ny dingana voafaritra rehetra ny fanomanana io fifidianana io. Efa nankatoavin’ireo kandidà nilatsaka ho fidiana rahateo izany ka manaporofo io fankatoavana io ny famokarana bileta tokana izay misy ny toerana natokana azy ireo tsirairay avy. Tsy azo ihodivirana intsony, araka izany, ny fametrahana ny demokrasia izay amin’ny alalan’ny latsabato ihany no ahafahana maneho izany, ary am-pitoniana tanteraka.
Rehefa izany, manamafy hatrany io fanohanany amin’ny firosoana amin’ny fifidianana Filohampirenena io ny Antoko Maitso- Hasin’i Madagasikara satria manaporofo ny fandalan’i Madagasikara ny demokrasia ny fanatanterahana izany. Manome lanja ny vahoaka malagasy hisafidy ny Filoha tiany hitondra azy ihany koa. “Manamafy hatrany izahay ary mahatoky fa ny demokrasia no fototra lehibe ho an’ny fiarahamonintsika. Izao fotoam-pifidianana izao dia fotoana iray lehibe ahafahantsika maneho fa mandala tanteraka ny demokrasia isika ary anehoantsika ny fahamatorantsika ara-politika manoloana ny vahoaka malagasy”, hoy hatrany ny antoko tao anatin’ny fanambarany omaly.
Ankoatra io, notsipihin’ny Antoko Maitso- Hasin’i Madagasikara ihany koa fa miray feo amin’ny SADC sy ny Vondrona Iraisam-pirenena izy ireo izay nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fanatanterahina ny fifidianana am-pitoniana sy mirindra. Nohazavain’izy ireo fa ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena dia manamafy ny fankatoavan’izao tontolo izao ny zotram-pifidianana izay ataontsika, ary manaporofo ny fahavononantsika handala ny demokrasia sy ny fahaiza-mitantana.
Amin’izao andro vitsy tsy hahatongavan’ny fifidianana izao, mankasitraka tanteraka ny ezaka ataon’ireo kandidà manatanteraka fampielezan-kevitra ny antoko. Miantso ireo kandidà rehetra tsy ankanavaka ihany koa ny tompon’andraikitra mba hanaraka ny toy izany “satria nametraka antontan-taratasy filatsahana ho fidiana eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana izy ireo, samy nanaiky ny laharana misy azy ireo tsirairay ao anaty bileta tokana, ary samy nanaiky ny hiroso ao anatin’ny zotram-pifidianana”.
AVI: Manameloka ny fanakorontanana ny zotram-pifidianana
Nitondra ny fanehoan-keviny koa ny avy amin’ny Antoko Asa vita no ifampitsarana (AVI) omaly, manoloana ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena ankehitriny. Nilaza ny AVI fa eran’izao tontolo izao dia tsy misy ny fifidianana tonga lafatra fa tsy maintsy misy tsy fitoviankevitra na fanoherana samihafa, samy manana ny tombotsoany ny antoko tsirairay, fa ny tombotsoa iombonana ahafahana mampandroso ny firenena dia ny firosoana amin’ny fifidianana. Manamafy ny AVI fa ny fifidianana irery ihany no lalana tokana manaraka ny lalam-panorenana sy ny fenitra demokratika ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny sy mametraka izay olona tiany hitondra ny firenena. Efa vonona ary mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny fifidianana amin’ny 16 novambra 2023, ka tsy misy antony tokony hampihemotra izany. “Manameloka ny fihetsika sy kajikajy politika rehetra entina manakorontana ny fizotry ny fifidianana ny antoko AVI”, hoy ny fanambarana.
VOVONANA UPAR-TANA: Ahiana hiteraka korontana ny fampiatoana ny zotram-pifidianana
Manoloana ny fikasana fampiatoana ny zotram-pifidianana ataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa sy ireo mpiray petsapetsa aminy dia iray amin’ireo fikambanana sy vondrona naneho ny heviny mahakasika izany ihany koa omaly ny vovonana UPAR (Union Pro Andry Rajoelina) sampana Antananarivo. Nivoitra tao anatin’io fanehoan-kevitra io ny hoe ahiana hiteraka korontana izany fikasana fampihatoana fifidianana izany. Hiteraka korontana satria vahoaka maro manerana ny Nosy no efa miandrandra ny fanatanterahina ny fifidianana afaka dimy andro. Porofon’izany ny fahatongavana olona maro hatrany any amin’ireny toerana anaovan’ny kandidà fampielezan-kevitra ireny, ary tsy latsa-danja amin’izany ny fahamaroan’ny mpanara-dia ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina izay tohanan’ny UPAR. Tao anatin’izany ihany koa no nanazavan’i Lalatiana Ravololomanana izay nitondra teny ny vovonana UPAR-Tanà fa tsy eto Antananarivo irery ihany no handrefesana izany vahoaka izany, eny fa na renivohitra aza izy. Mila raisina ho laharam-pahamehana ihany koa ny fahavitrihan’ireo Malagasy maro manerana ny Nosy efa miandrandra fifidianana, nahavita ara-dalàna ny fandraketana ny anarany ao anaty lisitry ny mpifidy.
Ankilany, fanehoan-kevitra avy amin’ity vovonana ity ihany koa ny hoe miantso am-panajana ireo Raiamandreny sy tompon’andraikitra isan-tokony izy ireo mba hahay hijery sy hiaino ny hetahetan’ireo mpiray tanindrazana vonona ny hiroso hatrany any amin’izany fifidianana izany. Tsy hihanoka fotsiny amin’ny feon-dakolosy tokana avy amin’ireo olom-bitsy ireo. “Tsy ilaina intsony”, rahateo ihany koa, “ny fifampiresahan’ireo kandidà tsy mahasolo tena ny Malagasy hangataka fanemorana ny datim-pifidianana”, hoy hatrany ny fanambarana.
Afaka dimy andro moa dia miverina amin’ny Malagasy feno taona ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana izay hany maridrefin’ny fifandanjan-kery politika. Noho izany dia manainga hatrany ny mpiray tanindrazana hanatontosa soa ny fifidianana ny UPAR. “Tongava mifidy fa aza avela ny hafa no hanapa-kevitra eo amin’ny toeranao”, hoy ny teny fanentanana avy amin’ireo mpikambana.
Sarobidy Sidonie sy LR.




