Songadim-baovaoSosialy
FREEDOM SAMPANA BONGOLAVA : Fotodrafitrasa roa sosona no notokanana tao Belobaka
Nitsidika ny Kaominina Belobaka ao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy ny Filohan’ny Antoko Freedom, sady Minisitra Mpiahy ny Faritra Bongolava, Lalatiana Andriatongarivo sy ny mpiara-dia aminy omaly. Nandritra izany, nisy ny fitokanana fotodrafitrasa roa lehibe izay miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, dia ny tsena sy ny tetezana.
“Ny fotokevitra nijoroana sy napetraka tamin’ireo ben’ny tanàna Freedom rehetra manerana ny Nosy ny hoe hiasa ho an’ny vahoaka, ary hanao izay hamahana ny olan’ny vahoaka”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, Lalatiana Andriatongarivo, izay sady Minisitra Mpiahy ny Faritra Bongolava omaly, raha nitsidika ny Kaominina Ambanivohitra Belobaka. Tafiditra ao anatin’io toromarika io indrindra, araka izany, ny asa nataon’ny ben’ny tanànan’i Belobaka, Andrianarisoa Lantonirina Johanasy, izay lany tamin’ny anaran’ny Antoko Freedom.
Notokanana omaly, araka izany, ny tsena, izay ezaka nataon’ity ben’ny tanàna ity. Hamaha olana maro ao an-tampon-tanànan’i Belobaka izany, raha ny fanazavana. Nohavaozina io tsena io, ary natsangana ny Pavillon miisa folo izay hahatafiditra mpivarotra miisa 40, ary ahitana box miisa 18 ihany koa. Tsara ho fantatra fa 50 ny isan’ny mpivarotra teny ivelany teo aloha. Ny 40 amin’ireo araka izany no efa tafiditra ao anatin’ny tsena tanteraka. Ary ho vahana tsy ho ela ihany koa ny momba ireo folo ambiny.
Tetezana vaovao
Tetsy ankilany, anisan’ny fotodrafitrasa vaovao vao notokanana omaly ihany koa ny Tetezana ao amin’ity Kaominina ity hatrany. Araka ny fanazavana dia mamoaka vokatra amin’ny fokontany manodidina miisa efatra, dia i Andakana, Ankerana, Ambohitr’omby, ary Andranomavokely ity tetezana ity. Ireo fokontany efatra ireo dia manana voka-bary sy vokatra samihafa, izay lasa mora no hamarotan’ny tantsaha azy noho ny tsy fisian’ny tetezana hiampitana teo aloha. Araka ny fanazavana mantsy dia mahatratra 2 000 ariary no milanja ny kitapo iray miampita amin’ny rano. Voavaha tanteraka ny olana amin’izao fotoana noho ny fahavitan’ny tetezana.
Etsy ankilany, rehefa sendra misy trangana asan-dahalo, dia mampanano sarotra ny fokonolona ny manenjika ireo dahalo noho ny tsy fisian’ny tetezana, indrindra rehefa fotoana mampiakatra ny rano. Ny rano rahateo malaza ho misy voay, ka tsy sahin’ny olona no miroboka amin’izany. Ankehitriny, efa voavaha ny olana. Fehiny, voavaha ny olan’ny vahoaka any ifotony. Noho izany indrindra no niantsoan’ny Filohan’ny Antoko Freedom ny vahoakan’i Belobaka mba ikojakoja ny fananana iombonana satria mitovy ihany, hoy izy, ny tsy manana sy ny tsy mahay manana.
Tsy misy distrika adino intsony
Nanararaotra nanamafy ny foto-kevitry ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny Minisitra Mpiahy raha nitsidika ny Kaominina Belobaka ny amin’ny hoe “Tsy misy intsony distrika adino”. Nilaza izy fa amin’ny maha Minisitra Mpiahy azy dia hiady ny tenany ho an’i Bongolava. Efa mipetraka tsara rahateo ihany koa ny fiarahamiasa eo aminy sy ny Governora any an-toerana, Ny Jeneraly Joseph Randriamiaramanana. Isan’ny fanamby manaraka nifanaovan’ny Minisitra tamin’ny Vahoakan’i Belobaka ny hanamboarana ny lalana, mihazo ity kaominina ity, miainga avy any amin’ny lalam-pirenena voalohany. Teo anatrehan’ny Governora no nanaovana izany fampanantenana izany, ka anjaran’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra no manatanteraka ny asa, araka ny tokony ho izy.



