KolontsainaSongadim-baovao
« GENERATION 2000’S » ANDIANY FAHA-3 : Efa vonona hampiaina indray ny taona 2000 ireo mpanakanto valo
Efatra andro sisa dia higadona ilay fotoan-dehibe ifampitaoman’ireo mpankafy indray amin’ireo mpanakanton’ny taona 2000. « Generation 2000’s » andiany faha-3 ity hotanterahina ny alahady 27 jolay ho avy izao ity. Imagine, Eric Tahiana, Tarika Zay, Tempo Gaigy, Mirado, Joy K, Spydee, ary i Marion izay hanao Live Stream, ireo no mpanakanto hiaka-tsehatra etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, manomboka amin’ny 2ora tolakandro. Notsindrian’i Sylvanno Ratsimandresy, avy amin’ny SR Event, izay mpikarakara ny hetsika, fa manana 30 hatramin’ny 45 minitra avy ny mpanakanto tsirairay hiakarana an-tsehatra. Midika izany fa hiverina hihanoka tanteraka ireo hiram-pitiavana sy nanamarika ny fahatanorana ireo rehetra ho avy amin’io fotoana io.
Nanamafy i Lova Love ao amin’ny Tarika Tempo Gaigy, fa tsy hira fotsiny ihany no iarahana manembona mandritra ny seho fa ny manodidina ny taona roa arivo rehetra mihitsy. “Raha ohatra ka mpandeha taksibe ianao taloha tamin’ny nijery ny seho nataonay, ka na efa nahazo fiara aza amin’izao fotoana izao, dia mba miverena kely mihitsy mandeha taksibe indray amin’io fotoana io, mba hiverenan’ilay fihetsehampo sy fahatsapanao tamin’izany”, hoy Lova Love nanazava tao anatin’ny tsikitsiky. Mazava ho azy, niray feo ireo mpanakanto ny amin’ny tsy anaovana hira vaovao mandritra ny seho fa kosa hihira ireo kanto nahafantarana azy ireo tsirairay avy tany amin’ny taona 2000.
Anisan’ny mpanohana ity hetsika ity moa ny Yas Madagascar, izay manome lanja hatrany ny hetsika mampisongadina ny talenta sy ny tanora.
Randriah.




